Hijery ny anatiny

18 JANOARY 2013
BREZILA

Tany Nihotsaka any Brezila

Tany Nihotsaka any Brezila

Nisy oram-be tany Rio de Janeiro, any Brezila, tamin’ny voalohandohan’ny volana Janoary, ka lasa nisy tondra-drano sy tany nihotsaka. Olona 3 000 mahery àry no tsy maintsy nafindra toerana. Efa ho 8 000 ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ilay toerana nianjadian’ny loza ary milaza ny Vavolombelon’i Jehovah hoe tsy nisy naratra ireo namany ireo. Fianakaviana Vavolombelona valo kosa no namoy ny fananany satria safotry ny rano ny tranony. Mipetraka any amin’ny mpiara-mivavaka aminy sy any amin’ny havany aloha izy ireo izao. Efa nanatitra sakafo efatra taonina sy rano fisotro madio ary zavatra hafa tena ilaina any amin’ireo faritra tena voa mafy ny komitin’ny vonjy rano vaky, izay samy Vavolombelona daholo.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Brezila: Pedro Catardo, tel. +55 15 3322 9000