Hijery ny anatiny

24 MARTSA 2023
BURKINA FASO

Nivoaka Tamin’ny Teny Moore ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Tamin’ny Teny Moore ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka tamin’ny 19 Martsa 2023 Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny moore, dia ny Rahalahy Youssouf Ouedraogo, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Bénin, no namoaka azy. Tamin’ny fivoriana manokana iray tany Ouagadougou, renivohitr’i Burkina Faso, no natao ilay fampandrenesana. a Be dia be koa no nanaraka an’ilay fandaharana tamin’ny alalan’ny vidéoconférence tany amin’ny tanàna hafa. Nisy 1 730 mahery ny tontalin’ny mpanatrika. Taorian’ilay fampandrenesana, dia nizarana Baiboly vita pirinty ireo nanatrika mivantana an’ilay fandaharana, ary efa azo nalaina ny Baiboly amin’ny endriny elektronika.

Ny teny moore no fiteny be mpampiasa indrindra any Burkina Faso. Valo tapitrisa eo ho eo ny olona miteny moore any. Miteny moore koa anefa ny olona any amin’ny firenena eo akaiky eo, izany hoe any Côte d’Ivoire, Ghana, Mali, Sénégal, ary Togo.

Sambany tamin’io ny Vavolombelon’i Jehovah no nahavita nandika ny Baiboly manontolo tamin’ny fiteny fampiasa any Burkina Faso. Maromaro ihany ny Baiboly voadika amin’ny teny moore, saingy tsy misy an’ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ao amin’izy ireny.

Izao no nolazain’ny mpandika teny iray: “Tena sarotra ny nandika an’ireo boky misy tononkalo, anisan’izany ny Ohabolana sy ny Tononkiran’i Solomona. Tsy mahazatra ny olona miteny moore mantsy ny manao tononkalo hoatran’ny ao amin’ireo boky ireo. Gaga anefa izahay sady faly be rehefa voadika ilay izy, satria hay mora azo ny zavatra voalaza ao amin’ireo boky ireo!”

Miara-paly amin’ireo rahalahy sy anabavintsika miteny moore isika, noho ry zareo nahazo an’io fanomezana avy amin’i Jehovah io.​—Jakoba 1:17.

a Ny biraon’ny sampan’i Bénin no mandamina ny asa fitoriana any Burkina Faso.