Hijery ny anatiny

5 AOGOSITRA 2019
CAMEROUN

Namoaka ny Soratra Grika Kristianina Tamin’ny Fiteny Bassa ny Vavolombelon’i Jehovah any Cameroun

Namoaka ny Soratra Grika Kristianina Tamin’ny Fiteny Bassa ny Vavolombelon’i Jehovah any Cameroun

Namoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny bassa ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Douala, Cameroun, tamin’ny 2 Aogositra 2019. Naharitra herintaona sy tapany ny fandikana an’io Soratra Grika io. Sambany ny Vavolombelon’i Jehovah no nandika Baiboly ho amin’ny fiteny fampiasan’ny olona any Cameroun.

Ny Rahalahy Peter Canning, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Cameroun, no namoaka an’ilay Baiboly, tamin’ny andro voalohan’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’i Logbessou. Nisy 2015 ny mpanatrika.

Fandikan-teny sarotra azo sady lafo be no tsy maintsy nampiasain’ny rahalahy sy anabavy miteny bassa, tamin’ny mbola tsy nisy an’io Soratra Grika io. Hoy ny iray amin’ireo mpandika teny bassa: “Hanampy ny mpitory hahazo tsara ny hevitry ny Baiboly iny fandikan-teny vaovao iny. Vao mainka izy ireo izao ho tia an’i Jehovah sy ny fandaminany.”

Tombanana ho 300000 eo ho eo ny olona miteny bassa any Cameroun. Mpitory 1909 kosa no miteny bassa ao amin’ny faritra iandraiketan’ny sampan’i Cameroun.

Marina tsara io fandikan-teny io sady mora azo, ka matoky isika fa hanampy ny olona hahita izy io hoe “velona ... ny tenin’Andriamanitra.”—Hebreo 4:12.