10 OKTOBRA 2022
CAMEROUN
Nivoaka Tamin’ny Teny Bassa (Cameroun) ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Manontolo
Tamin’ny 1 Oktobra 2022 no nivoaka ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny teny bassa (Cameroun), ka ny Rahalahy Stephen Attoh, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Cameroun no namoaka an’ilay izy tamin’ny endriny elektronika. Efa noraisina video mialoha ilay fandaharana, dia nalefa hojeren’ny mpitory. Amin’ny Aprily 2023 no tokony ho tonga ny vita pirinty. Amin’ny fiteny rehetra any Cameroun, dia io no fiteny voalohany nandikan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Baiboly iray manontolo. Tamin’ny 2019 ny Vavolombelon’i Jehovah no namoaka ny Soratra Grika Kristianina tamin’ny teny bassa (Cameroun).
Efa nisy Baiboly iray manontolo tamin’ny teny bassa (Cameroun), talohan’io fandikan-teny io. Vitsy kely anefa ireny Baiboly ireny sady lafo be, dia matetika no mampiasa teny efa tranainy be. Hoy ny mpandika teny iray: “Lasa mora kokoa amin’ny olona liana izao ny manana Baiboly. Mora azo koa ny teny ao anatin’ity Baiboly ity sady tsotra ary mampiasa fiteny andavan’andro.”
Faly isika fa manana ny Baiboly iray manontolo, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, izao ny rahalahy sy anabavintsika miteny bassa (Cameroun). Azony ampiasaina rehefa hianatra samirery na eny amin’ny fanompoana izy io mba hitadiavana olona mendrika.—Matio 10:11.