15 AOGOSITRA 2022
CAMEROUN
Nivoaka tamin’ny Fiteny Boulou ny Soratra Grika Kristianina
Nivoaka tamin’ny 6 Aogositra 2022 Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny boulou. Ny Rahalahy Gilles Mba, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Cameroun, no nanao ny lahateny namoahana azy, nandritra ny fandaharana iray noraisina video mialoha. Nozaraina hojeren’ny mpitory ilay fandaharana. Nivoaka tamin’ny endrika elektronika ilay Baiboly, fa amin’ny 2023 vao hivoaka ny Baiboly vita pirinty.
Misy Baiboly hafa ihany amin’io fiteny io saingy lafo be ny vidiny. Ny Baiboly sasany indray mampiasa teny tranainy be sady tsy misy anaran’Andriamanitra ao amin’ilay izy. Misy diso koa ny fomba nandikana ny hevitry ny Baiboly tany am-boalohany ao amin’ireny Baiboly ireny. Nadikan’ny Baiboly sasany hoe “Fokon’Andriamanitra”, na “Fianakaviamben’Andriamanitra”, na “Firenen’Andriamanitra”, ohatra, ilay hoe “Fanjakan’Andriamanitra.” “Fanjakana” anefa no teny nampiasaina ao amin’ilay fandikan-teny vaovao amin’ity Soratra Grika Kristianina ity, ka lasa mora kokoa ny manazava hoe fanjakana naorin’i Jehovah no tiana holazaina amin’ilay hoe Fanjakan’Andriamanitra.
Nilaza ny iray tamin’ny mpandika teny hoe: “Afaka matoky isika hoe azo antoka sady marina tsara ny fampianarana ampitaintsika amin’ny olona, rehefa mampiasa an’ity Baiboly ity isika.”
Matoky isika hoe tena hahavita hanampy an’ireo olona “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra” ny mpiara-manompo amintsika miteny boulou, noho ity Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ity.—Matio 5:3.