Hijery ny anatiny

Sary nalaina avy any ambony: Eo amin’ny sisiny ambony ankavanana no misy ny birao, ary eo ambany ankavia no misy an’ireo trano fonenana efatra.

22 MARTSA 2019
CAMEROUN

Vaovao Farany: Mandroso ny Fanorenana ny Biraon’ny Sampan’i Cameroun

Vaovao Farany: Mandroso ny Fanorenana ny Biraon’ny Sampan’i Cameroun

Nanomboka tamin’ny herintaona ny fanorenana ny biraon’ny sampana vaovao any Cameroun. Hitantsika amin’ny sary etsy ambony fa efa mitsangana ny rindrin’ny trano fonenana efatra sy ny an’ny birao. Olona 60 no ho afaka hipetraka ao amin’ilay sampana vaovao ary olona 71 no ho afaka hiasa ao. Vinavinaina ho vita amin’ny faran’ny Desambra 2019 any ho any ilay tetikasa. Aseho amin’ny tahirin-tsary eto ambany ny fandrosoan’ilay fanorenana.

Sarin’ilay sampana rehefa vita (natao tamin’ny ordinatera)

 

Jolay 2018: Manomboka miakatra ny rindrina eo amin’ny Trano Fonenana Faha-3.

Aogositra 2018: Hofefena ilay toerana manontolo.

Septambra 2018: Vita ny rindrin’ny rihana ambany amin’ny Trano Fonenana Faha-4.

Oktobra 2018: Eto no ho fidirana ao amin’ilay trano hatao birao.

Desambra 2018: Tafapetraka ny vy mitondra ny tafo eo amin’ny Trano Fonenana Faha-2 sy Faha-3.