Hijery ny anatiny

14 Mey 2024
CÔTE D’IVOIRE

Nitory ny Fahamarinana ao Amin’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah Nandritra ny Lalao Baolina Kitra Iraisam-pirenena Tany Côte d’Ivoire

Nitory ny Fahamarinana ao Amin’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah Nandritra ny Lalao Baolina Kitra Iraisam-pirenena Tany Côte d’Ivoire

Atleta maro manerana an’i Afrika no nandray anjara tamin’ny fiadiana ho tompon-dakan’i Afrika laharana faha-34 amin’ny lalao baolina kitra, nanomboka tamin’ny 13 Janoary ka hatramin’ny 11 Febroary 2024. Natao tany Côte d’Ivoire ilay fifaninanana, dia olona an’arivony avy any amin’ny tany 24 no tonga nijery an’ilay izy. Nanao ezaka manokana ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra an’io fotoana io mba hiresahana momba ny Baiboly tamin’ireo olona tonga nijery an’ilay lalao. Fampirantiana misy kodiarana 120 mahery no nampiasaina tamin’izany, dia napetraka tany amin’ny tanàna ngezabe dimy nanaovana lalao ireo fampirantiana ireo.

Nankeo amin’ny fampirantiana anankiray ny tovolahy iray tany Abidjan, dia niteny izy hoe nahaliana azy ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao. Nanazava izy hoe nisy namany akaiky maty vao haingana. Novakin’ny rahalahintsika taminy ny Jaona 5:28, 29, dia tena nampahery be azy ilay izy. Nasainy hitsidika azy any an-tranony ireo rahalahintsika ireo avy eo mba hanohy an’ilay resaka.

Tamin’ny fotoana hafa indray, dia nanatona ny fampirantiana anankiray ny polisy iray any Anyama. Niteny tamin’ireo Vavolombelona teo izy hoe tiany ny mamaky ny boky sy gazetintsika, indrindra fa izay miresaka momba ny famoronana sy ny hoe ahoana no nampisy antsika. Na dia niteny aza izy hoe be atao be foana, dia nomeny an’ireo rahalahintsika ihany ny nomeraony, dia nasainy hiantso azy ry zareo.

Nisy lehilahy iray hafa koa nanatona ny fampirantiana anankiray tany Abidjan, dia niteny tamin’ireo rahalahy teo izy hoe efa nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, hono, izy tamin’izy tanora, fa avy eo tsy tafahoana tamin’ilay fiangonana intsony. Dia rehefa nandeha teny ny taona, dia tsikariny hoe hafa mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy mitovy amin’ny fivavahana hafa. Anisan’ny tena nampiaiky azy ny nahita hoe mihavana tsara sy miray saina foana ny vahoakan’i Jehovah, nefa ny olon-kafa voazarazaran’ny politika sady mahery setra. Nangataka hianatra Baiboly io lehilahy io avy eo, dia mampianatra azy tsy tapaka izao ny rahalahintsika.

Faly isika satria afaka nanampy olona avy amin’ny tany maro samihafa ny rahalahy sy anabavintsika any Côte d’Ivoire mba handre “momba ny asa lehibe nataon’Andriamanitra” (Asan’ny Apostoly 2:11) Tena tombontsoa miavaka mantsy izany!