6 FEBROARY 2024
CUBA
Nivoaka Tamin’ny Tenin’ny Tanana any Cuba ny Bokin’i Matio sy Marka
Nivoaka tamin’ny tenin’ny tanana any Cuba ny bokin’i Matio sy Marka tamin’ny 20 Janoary 2024. Tamin’ny fandaharana manokana iray natao tany amin’ny Efitrano Fivoriambe any Guanabacoa, any La Havane no namoahana an’ilay izy. Azo nalaina avy hatrany tao amin’ny jw.org ireo boky roa ireo tamin’izay.
Mahatratra 53 000 eo ho eo ny olona marenina any Cuba. Nisy ezaka manokana natao taoriana kelin’ny taona 1990 mba hitoriana ny vaovao tsara tamin’ny olona marenina tany. Tamin’ny 2011 no nisy boky ara-baiboly voalohany navoaka tamin’ny tenin’ny tanana any Cuba. Rahalahy sy anabavy 756 izao no manompo any amin’ireo fiangonana 28 sy antoko-mpitory 10 mampiasa tenin’ny tanana any.
Sambany vao nadika tamin’ny tenin’ny tanana any Cuba ny bokin’i Matio sy Marka. Hoy ny anabavy iray: “Tsara be mihitsy ny fomba nandikana an’ilay tantara ao amin’ny Marka 7:32-37, ilay hoe nositranin’i Jesosy ilay lehilahy marenina! Hoatran’ny hoe izaho mihitsy ilay nositraniny. Tena nanohina ny foko ilay izy. Lasa azoko sary an-tsaina kokoa izao hoe hoatran’ny ahoana ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao. Misaotra betsaka!”
Miara-mifaly amin’ireo olona rehetra nomen’i Jehovah an’io fanomezana io isika. Matoky isika hoe mbola ho be dia be ny olona mampiasa tenin’ny tanana any Cuba handray soa amin’ireo boky ireo, ka ho lasa tia an’i Jehovah ‘amin’ny fony manontolo sy ny tenany manontolo ary ny sainy manontolo.’—Marka 12:30.