Hijery ny anatiny

7 JONA 2018
CUBA

Fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah Maty Tamin’ilay Lozam-piaramanidina Tany Cuba

Fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah Maty Tamin’ilay Lozam-piaramanidina Tany Cuba

Nianjera ny Boeing 737 iray, raha vao niainga kelikely tao La Havane, any Cuba, tamin’ny zoma 18 Mey 2018. Io no lozam-piaramanidina nahatsiravina indrindra tany Cuba, tato ho ato, satria iray ihany no tsy maty tamin’ireo olona 113 tao anatin’ilay fiaramanidina.

Mampalahelo fa Vavolombelon’i Jehovah telo mianaka no maty tamin’iny loza iny (ray aman-dreny miaraka amin’ny zanany lahy 22 taona). Nalevina tamin’ny asabotsy 26 Mey 2018 izy telo mianaka.

Mampionona sy mampahery ny havana aman-tsakaiza amin’ny alalan’ny Baiboly ny anti-panahy. Manome fanampiana koa ny manam-pahefana eo an-toerana. Matoky isika hoe “hampionona an’izay ory rehetra” i Jehovah mandritra an’izao fotoana mangidy izao.—Isaia 61:1, 2.