Hijery ny anatiny

19 JOLAY 2019
DANEMARK

Fotoana Miavaka: Navoaka Tamin’ny Fiteny Islandey ny Soratra Grika Kristianina

Fotoana Miavaka: Navoaka Tamin’ny Fiteny Islandey ny Soratra Grika Kristianina

Nafana fo erỳ ny Rahalahy Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, rehefa nilaza hoe mivoaka amin’ny fiteny islandey Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny 19 Jolay 2019, tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Copenhague, any Danemark.

Nilaza ny mpanolotra fandaharana, ny zoma maraina, hoe asaina ho ao amin’ny efitra iray ao amin’ilay kianja izay rehetra miteny na mitory amin’ny fiteny islandey, amin’ny fiatoana antoandro. Nomen’ny Rahalahy Lett an’ilay Baiboly vaovao ireo mpanatrika 341 tonga tao amin’io fivoriana manokana io.

Efa an-jatony taona ny Islandey no nandika ny Baiboly tamin’ny fiteniny. Tamin’ny 1540 i Oddur Gottskálksson no namoaka ny Soratra Grika Kristianina ho amin’ny fiteny islandey voalohany. Ny Baibolin’ny Taonjato Faha-21 no nampiasain’ny rahalahy sy anabavy islandey, nanomboka tamin’ny 2010. Ny Fikambanan’ny Baiboly Islandey no namoaka azy io. Efa tsy andrin’ny rahalahy sy anabavy islandey izao ny hampiasa an’io Baiboly vaovao io mba hitoriana amin’ny olona 300000 mahery miteny islandey.

Hoy ny rahalahy iray anisan’ireo mpandika teny: “Efa-taona latsaka kely no nandikana ny Soratra Grika Kristianina ho amin’ny fiteny islandey. Miavaka izy io satria mamerina ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah eo amin’ny toerana rehetra tokony hisy azy. Mifanaraka tsara amin’ity vavaka nataon’i Jesosy ato amin’ny Jaona 17:26 ity izany: ‘Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany.’”

Tena faly isika satria tahin’i Jehovah foana ny ezaka ataontsika mba hitoriana ny vaovao tsara amin’ny tany rehetra misy mponina, ary tena manampy amin’izany ny fandikana Baiboly. Mivavaka isika mba hihabetsaka foana ny olona te hianatra momba “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra”, rehefa mamaky ny Baiboly amin’ny fiteniny izy ireo.—Asan’ny Apostoly 2:11.