Hijery ny anatiny

7 JONA 2017
EJIPTA

‘Tena Tiako Raha Foanana Ilay Fandrarana Satria Tsy Rariny Mihitsy Ilay Izy’

‘Tena Tiako Raha Foanana Ilay Fandrarana Satria Tsy Rariny Mihitsy Ilay Izy’

Vavolombelon’i Jehovah any Ejipta i Ehab Samir, 52 taona. Tsy tena avelan’ny fanjakana hanaraka ny fivavahany ny Vavolombelon’i Jehovah any Ejipta. Ataon’ny manam-pahefana “hoatran’ireny mpanao heloka bevava ireny” ny ankamaroany, hoy Atoa Samir. Namaky lahatsoratra tao amin’ny Internet momba ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izy, ary tena nampahery azy ilay izy satria nilaza ny tena marina momba azy ireo.

Ny Shbab Misr, mpamoaka vaovao ao amin’ny Internet no namoaka an’ilay lahatsoratra, tamin’ny 19 Aogositra 2016, ary izao no lohateniny: “Iza ny Vavolombelon’i Jehovah?—Pr. Riham Atef.” Mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Le Caire ny Profesora Atef sady mpanao gazety. Nohazavainy tao amin’ilay lahatsoratra hoe diso hevitra momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroan’ny olona any Ejipta. Mahafantatra Vavolombelon’i Jehovah maromaro izy, ary efa nanao fikarohana be dia be momba azy ireo, ka hoy izy: “Tena olona tsara fanahy ny Vavolombelon’i Jehovah sady manaja ny zavatra inoan’ny hafa.”

“Tia fihavanana sy tia olona izy ireo”

Ho an’iza no nanoratan’ny Pr. Atef an’ilay lahatsoratra? Nohazavainy tao hoe izay “olona tsy mahalala na inona na inona momba ny Vavolombelon’i Jehovah sy izay maheno tsaho ka lasa mankahala azy ireo.” Nofintininy tao ny zavatra sasany inoan’ny Vavolombelona. Nilaza izy avy eo hoe mbola “misy fanazavana be dia be ao amin’ilay tranonkalan’izy ireo www.pr418.com.”

Nandinika tamin’ny saina tsy miangatra ny Pr. Atef, ka nahita fa tsy araka ny fiheveran’ny Ejipsianina azy mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Tsy azoko hoe maninona ny fivavahan-dry zareo no voarara, nefa ry zareo tsy manao politika. . . . Tia fihavanana sy tia olona izy ireo.” Nanontany izy avy eo hoe: “Izany ve dia tokony handrarana azy ireo? Sa fotsiny hoe voarara ry zareo satria tsy mitovy amin’ny fampianaran’ny fiangonana hafa ny zavatra ampianariny avy ao amin’ny Baiboly?”

‘Tena tiako raha foanana ilay fandrarana’

Tena tian’Atoa Samir ilay lahatsoratra momba ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nandefasany taratasy fisaorana ilay namoaka azy io. Hoy izy: “Efa be dia be ny lahatsoratra momba ny Vavolombelon’i Jehovah novakiko tao amin’ny fampitam-baovao [ejipsianina], fa vitsy ihany no niresaka zavatra tsara momba azy ireo. Deraiko àry ny Pr. Atef satria sahy nilaza ny heviny sady niteny ny marina.” Navoakan’ilay fampitam-baovao io taratasy nosoratan’Atoa Samir io tamin’ny 11 Desambra 2016.

Nanoratra koa Atoa Samir hoe malahelo be izy satria iharan’ny tsy rariny ny Vavolombelona noho ny tsaho aelin’ny mpitondra fivavahana momba azy ireo. Nilaza izy hoe na izy koa aza misy mampijaly satria lasa diso hevitra momba azy ny olona. Hoy izy avy eo: “Tonga dia miresaka amin’ny olona iray ianao raha tena te hahafantatra azy. Dia izany mihitsy no nataon’ny Pr. Riham Atef. Misaotra azy àry aho tamin’ilay lahatsoratra nosoratany.”

Nampihetsi-po ny teny namaranan’Atoa Samir an’ilay taratasiny. Hoy izy: “Tena tiako raha foanana ilay fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah eto Ejipta satria tsy rariny mihitsy ilay izy. Amin’izay ny fivavahanay mba tsy misy manakantsakana intsony.”

Rahoviana ny Vavolombelon’i Jehovah vao havela hanaraka ny fivavahany?

Navela hanaraka ny fivavahany ny Vavolombelon’i Jehovah any Ejipta, am-polony taona maro lasa izay, ary nekena ho ara-dalàna ny fivavahan’izy ireo tamin’izany. Tsy nekena ho ara-dalàna intsony anefa izy ireo tamin’ny 1960. Be dia be koa ny zon’izy ireo tsy nohajaina, nefa ny fivavahana kristianina hafa any Ejipta navela hanana an’izany zo izany.

Asehon’ny Vavolombelon’i Jehovah foana anefa hatramin’izao hoe tsy mpanakorontana izy ireo fa “tia fihavanana sy tia olona”, ary niaiky an’izany ny Pr. Atef. Be dia be no manantena toa an’Atoa Samir hoe mbola hohajaina ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Ejipta, ary mbola havela hanaraka ny fivavahany indray izy ireo.