24 JONA 2019
EKOATERA
Guayaquil, Ekoatera: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
Daty: 14-16 Jona 2019
Toerana: Estadio Monumental Banco Pichincha any Guayaquil, any Ekoatera
Fiteny: Anglisy, espaniola, tenin’ny tanana any Ekoatera
Tampon’isan’ny mpanatrika: 53055
Tontalin’ny natao batisa: 702
Solontena avy any ivelany: 5300
Sampana nasaina: Amerika Afovoany, Arzantina, Belzika, Bolivia, Cuba, Espaina, Etazonia, Kazakhstan, Kolombia, Korea, Moldavia, Myanmar, Polonina
Fitantarana: Hoy i José Francisco Cevallos, tompon’ilay kianja sady filohan’ny Barcelona Sporting Club: “Tsy mbola nahita olana taminareo mihitsy izahay, na tamin’ity fivoriambe ity na tamin’ny fivoriambe hatramin’izay. Hita mihitsy hoe tsara toetra ianareo sady milamina tsara foana ny fivoriambe ataonareo. Sarotra ny mikarakara fotoan-dehibe hoatr’izao nefa vitanareo tsara foana. Olona mahafinaritra ianareo. Mahalala fomba sy tsara fanahy ary milamina tsara ianareo. Ampirisihinay mihitsy ny tanàna hafa sy firenena hafa mba handray Vavolombelon’i Jehovah.”
Vahiny maka sary mandritra ny fitsidihana ny Betelan’i Ekoatera
Rahalahy sy anabavy ao Ekoatera, miara-mitory amin’ny vahiny
Vahiny miara-mihira amin’ny andro voalohan’ny fivoriambe
Ny sasany amin’ireo rahalahy sy anabavy vaovao 702 natao batisa
Vahiny mandray an-tsoratra mandritra ny lahateny
Vahiny manao fihetsika amin’ny tanana fanaon’ny Koreanina, izay midika hoe “fitiavana”
Rahalahy Kenneth Cook, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, manao ny lahateny famaranana ny asabotsy
Mpanompo manontolo andro manokana avy any an-tany hafa manofahofa tanana, amin’ny andro farany amin’ilay fivoriambe
Rahalahy sy anabavy manao fampisehoana ho an’ny vahiny, mandritra ny korana takariva