Hijery ny anatiny

23 APRILY 2020
EKOATERA

Mitory avy any An-tranony ny Vavolombelon’i Jehovah any Ekoatera

Mitory avy any An-tranony ny Vavolombelon’i Jehovah any Ekoatera

Mitady fomba hitoriana foana ny rahalahy sy anabavintsika maneran-tany amin’izao fiparitahan’ny COVID-19 izao. Mahita fomba maromaro hitoriana ny vaovao tsara ny mpitory any Ekoatera.

Nandefa hafatra ho an’ny mpampianatra azy ny mpitory iray fito taona sy ny reniny, izay mipetraka any Ambato. Mitovitovy amin’izao ny hafatra alefany: “Manahoana Madama. Manoratra ho anao aho satria te handefa hafatra mampahery amin’izao fotoan-tsarotra iainantsika izao. Mampanantena ny Baiboly, ao amin’ny Apokalypsy 21:4, hoe mbola ho tsara ny fiainana. Misy rohy io raha mila fanazavana fanampiny ianao.”

Namaly ny madama iray hoe: “Misaotra akia a! Mbola kely indrỳ nefa feno fahendrena ny tenin’indrỳ.” Nisaotra azy koa ny mpampianatra iray hafa ary nanontany raha misy amin’ny endrika elektronika ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Nilaza io mpampianatra io hoe efa nanana izy taloha fa nindramin’ny mpianany. Nohazavain’ilay mpitory kely taminy àry hoe azony alaina ao amin’ny jw.org ilay boky.

Mijery ny lisitry ny adiresy sy telefaonin’ny olona ao amin’ny fitaovana elektronikany koa ny mpivady iray any Quevedo, ary andefasany an’ity hafatra ity izay tsy Vavolombelona: “Vavolombelon’i Jehovah aho. Tsy afaka mitory isan-trano izahay noho izao olana eto amin’ny firenentsika sy maneran-tany izao. Tena te hiresaka aminao amin’ny alalan’ny vidéoconférence anefa izahay.”

Nanaiky hanao vidéoconférence amin’izy mivady ny ankamaroany. Nisaotra azy mivady ny vehivavy iray tsy tia nihaino Vavolombelon’i Jehovah, ary nidera azy ireo satria miezaka mampahery olona izy ireo. Nilaza ilay vehivavy hoe mampiady saina azy ny zava-misy amin’izao. Nalefan’izy mivady tany aminy ilay Mifohaza! No. 1 2020 hoe “Tsy Te Hiady Saina Be Intsony ve Ianao?” amin’ny endrika PDF. Rehefa nifampiresaka izy ireo tatỳ aoriana dia nisaotra azy mivady ilay vehivavy ary nilaza hoe novakiny imbetsaka ilay gazety.

“Nanoratra” taratasy misy sarisary a i Johana, anabavy marenina any Santo Domingo de los Tsáchilas. Nalainy sary ilay izy avy eo, dia nalefany tany amin’ny namany marenina rehetra. Mandre anefa ny vehivavy iray nahazo an’ilay hafatra. Namaly haingana ilay vehivavy ary nametraka fanontaniana maromaro. Tsy mazava amin’i Johana ny fanontaniany dia mpisava lalana mandre antsoina hoe Rhonda no nanohy an’ilay resaka.

Nohazavain’ilay vehivavy tamin’i Rhonda hoe nahagaga azy ny sary nalefan’i Johana tany aminy. Nanontany izy raha mbola misy andinin-teny hafa miresaka momba ny zava-mitranga eto an-tany ao amin’ny Baiboly. Novakin’i Rhonda taminy ny Lioka 21:10, 11 ary nalefany tany aminy ny rohy mankany amin’ilay video hoe Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly? sy ilay hoe Inona no Antony Namoronan’Andriamanitra ny Tany? Mbola te hanohy ny resaka ilay vehivavy.

Manahaka ny apostoly Paoly ny mpitory namantsika ka manao an’izay azony atao mba hitoriana, na dia tsy afaka mivoaka ny tranony aza. “Nitory tamin’ny fomba feno momba ny Fanjakan’Andriamanitra” koa mantsy ny apostoly Paoly tamin’izy nigadra.—Asan’ny Apostoly 28:23.

a Maro amin’ny mpitory mampiasa tenin’ny tanana no manao sary fa tsy manoratra rehefa hanazava hevitra, satria be dia be ny marenina tsy mahay mamaky teny.