24 NOVAMBRA 2023
EKOATERA
Naranty Tamin’ny Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky Tany Ekoatera Ilay Boky Maoderina Nefa Tranainy Indrindra
Natao tany Guayaquil, any Ekoatera, ny andiany fahasivy tamin’ny Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky, tamin’ny 20 ka hatramin’ny 24 Septambra 2023. Nisy 30 000 mahery ny mpitsidika tonga tamin’ilay foara. Nanangana tranoheva hanaovana fampirantiana koa ireo rahalahintsika any, ary izao ny soratra natao tamin’ilay izy: “Ilay Boky Maoderina Nefa Tranainy Indrindra.” Nasongadina tamin’io fampirantiana io hoe misy torohevitra mahasoa ho an’ny olona rehetra ao amin’ny Baiboly. Afaka naka boky teo amin’ilay tranoheva koa ny mpitsidika, ohatra hoe boky amin’ny fiteny sinoa mandarin, anglisy, portogey, quechua (Chimborazo), quechua (Imbabura), ary espaniola. Nisy 150 teo ho eo ny rahalahy sy anabavy nandray anjara tamin’io fampirantiana io. Maherin’ny 700 ny boky sy gazety voazara tamin’ny olona liana, ary be dia be ny mpitsidika natoro ny fomba ahitana fanazavana isan-karazany ao amin’ny jw.org.
Nankeo amin’ilay tranoheva nisy antsika ny lehilahy iray sy ny zanany kely, dia nilaza hoe mampanahy azy ny olana atrehin’ilay zanany. Dia nohazavain’ireo rahalahy taminy hoe tsy mety lany andro ny torolalan’ny Baiboly, ary afaka manampy ny tanora hiatrika olana. Nanaiky handray an’ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky 1 sy Boky 2 ilay lehilahy. Hoy izy: “Tsy nampoiziko mihitsy hoe hahita boky misy fanazavana tsara be hoatr’izao aho, atỳ amin’ity foara ity!”
Nanatona teo amin’ny tranohevantsika ny vehivavy iray dia nanontany raha afaka mahazo Baiboly. Nilaza izy fa mipetraka any amin’ny toerana be mpiambina, ka zara raha mifandray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Dia nanome Baiboly azy ilay anabavy teo amin’ilay tranoheva, sady nanazava taminy hoe misy koa fianarana Baiboly maimaim-poana. Faly erỳ ilay vehivavy taorian’izay nangataka hianatra Baiboly tao amin’ny jw.org.
Nandray anjara tamin’io fampirantiana io ny rahalahy antsoina hoe Diego. Hoy izy: “Be dia be ny olona mahalala an’ilay famantarana jw.org, saingy zara raha mahalala ny hafatra torintsika ny sasany amin’izy ireny. Mino aho fa nanampy olona be dia be hahalala hoe tena mahasoa antsika amin’izao ny Baiboly, ilay tranoheva nampiasaintsika.”
Faly isika hoe afaka nanampy olona be dia be ny rahalahy sy anabavintsika any Ekoatera. Lasa fantatr’ireny olona ireny kokoa mantsy izao ny torohevitra feno fahendrena avy ao amin’ilay boky maoderina nefa tranainy indrindra, izany hoe ny Baiboly.—Ohabolana 3:21.