Hijery ny anatiny

29 APRILY 2016
EKOATERA

Horohoron-tany Tany Ekoatera

Horohoron-tany Tany Ekoatera

Nisy horohoron-tany nirefy 7,8 namely ny ilany andrefana amin’i Ekoatera, tamin’ny 16 Aprily 2016. Mbola nihovotrovotra foana ny tany taorian’izay. Nanimba zavatra betsaka ilay loza, ary olona 650 mahery no maty. Tsy naninona ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Maromaro kosa ny tranona Vavolombelona rava, ary nisy Vavolombelona iray maty araka ny tatitra voaray farany. Nandefa kamiao mitondra sakafo sy rano fisotro tany amin’ilay toerana niharan-doza ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy komitin’ny vonjy rano vaky anankiroa koa nalefan’ny biraon’ny sampana avy hatrany mba hiandraikitra ny fanampiana vonjimaika. Nanangana toby roa izy ireo, ka ny iray any Pedernales, ary ny iray any Manta. Nisy solontena efatra avy amin’ny sampana koa nitsidika an’ilay faritra niharan-doza, mba hitondra fampaherezana avy amin’ny Soratra Masina ho an’ireo tra-boina.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: David  A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Ekoatera: Marco Brito, tel. +593 98 488 8580