10 OKTOBRA 2024
ÉRYTHRÉE
Be dia Be ny Vavolombelona Nosamborina Tsy Ara-drariny Tany Érythrée
Anisan’ireo 23 Nogadraina ny Anabavy Iray 85 Taona
Nanao bemidina tao amin’ny trano iray tany Érythrée ny polisy, tamin’ny 27 Septambra 2024. Nisy Vavolombelon’i Jehovah nivory tao tamin’izay. Olona 24 no nosamborin’ny polisy: Rahalahy 6, anabavy 16, ary zaza tsy ampy taona 2. Telo andro taorian’izay anefa dia niverina indray ireo polisy ireo, ary nosamborin-dry zareo ilay anabavy 85 taona nipetraka tao amin’ilay trano. Nafahan-dry zareo ireo zaza tsy ampy taona 2 tatỳ aoriana, fa nafindra tany amin’ny Fonjan’i Mai Serwa kosa ireo rahalahy sy anabavy 23.
Vavolombelon’i Jehovah 63 izao no migadra any Érythrée, ary efa 70 taona mahery ny 10 amin-dry zareo. Tsy misy amin’ireo rahalahy sy anabavy ireo anefa voampanga na voaheloka ho nanao heloka bevava, anisan’izany ireo vao nosamborina tsy ara-drariny ireo.
Izany indray izao ny zavatra nitranga faramparany any Érythrée. Efa ela mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah tany no nenjehina. Telopolo taona lasa izay, izany hoe tamin’ny 25 Oktobra 1994, dia tsy navelan’ny filoham-pirenena any Érythrée hizaka ny zom-pirenena any intsony izay Vavolombelon’i Jehovah teraka tany. Nenjehina sy nogadraina tsy ara-drariny ireo rahalahy sy anabavintsika, nanomboka teo.
Tena malahelo isika maheno an’ireo zava-mitranga vao haingana ireo. ‘Mahatsiaro’ sy mivavaka ho an’izay “migadra” any Érythrée isika sady matoky fa hampionona sy hampahery ary hanampy azy ireo hiaritra foana i Jehovah.—Hebreo 13:3.