26 OKTOBRA 2022
ÉRYTHRÉE
Mitaky ny Hanafahana An’ilay Vavolombelon’i Jehovah 80 Taona Migadra any Érythrée ny Vaomiera Amerikanina Miaro ny Fahalalahana Ara-pivavahana Maneran-tany
Nilaza ny Vaomiera Amerikanina Miaro ny Fahalalahana Ara-pivavahana Maneran-tany (USCIRF) fa manahy momba ny Rahalahy Tesfazion Gebremichael, izy ireo. Efa 11 taona mahery mantsy izao izy no migadra any Érythrée. Nilaza ny tranonkalan’i USCIRF fa “efa 80 taona izao i Gebremichael ka tena hatahorana ny fahasalamany amin’ilay izy any am-ponja.” Nanao antso avo àry i Frederick Davie, tompon’andraikitra ao amin’ny USCIRF, tamin’ny 7 Oktobra 2022 fa tokony hafahana ny Rahalahy Gebremichael.
Nosamborin’ny manam-pahefana ny Rahalahy Gebremichael tamin’ny 20 Jolay 2011. Mbola teo am-piresahana tamin’ny olona momba ny zavatra inoany izy tamin’izay. Teraka tany Érythrée izy, kanefa mitovy amin’ny hoe tsy teratany any intsony satria nesorin’ny fanjakana ny zom-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra tany, nanomboka tamin’ny 1994.
Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny Rahalahy Gebremichael tamin’ny Janoary 1971. Malaza hoe lehilahy be fitiavana sy tsara fanahy ary tia fihavanana izy, sady tia manampy ny mpiara-monina aminy. Nanambady an’i Lemlem vadiny izy tamin’ny 1974. Vavolombelon’i Jehovah koa izy. Manan-janaka efatra sy zafikely dimy ry zareo.
Hoy ny Anabavy Gebremichael: “Tena manahy ny amin’ny fahasalaman’ny vadiko aho amin’ilay izy migadra. Manimanina be an’azy koa izaho amin’ilay izy maneho fitiavana sy manampy ahy. Fantatro anefa fa hikarakara azy i Jehovah. Tena tiako be ny vadiko satria tsy mivadika sady tsy manaiky lembenana mihitsy. Ny misaintsaina ny Mpitoriteny 10:4 no tena manampy ahy ho tony, na dia miatrika an’izao zava-tsarotra izao aza izahay mianakavy.”
Efa hatramin’ny 1991 i Érythrée no nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa 32 izao ny Vavolombelona nafahana tany am-ponja nanomboka tamin’ny Desambra 2020 ka hatramin’ny Febroary 2021. Mbola misy 20 ihany anefa izao ny rahalahy sy anabavintsika migadra. Migadra mandrakizay daholo izy rehetra fa tsy misy daty tapaka hoe hanafahana azy. Tsy mba afaka miaro tena eny amin’ny fitsarana ry zareo na manao zavatra hafa, dia migadra mandra-pahafatiny daholo.
Efa betsaka ny fikambanana lehibe iraisam-pirenena mpiaro ny zon’olombelona no namerimberina nanameloka an’i Érythrée. Manitsakitsaka ny zo fototra ananan’ny olona mantsy, hono, i Érythrée, ka nasain’izy ireo nahitsin’ny fanjakana ny fitsipika napetrany. Nilaza mihitsy aza ny Vaomiera Amerikanina Manadihady Momba ny Zon’olombelona any Érythrée tamin’ny 2016 fa nahavita “heloka faran’izay ratsy” ny manam-pahefana any Érythrée amin’ilay ry zareo manenjika ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olon-kafa.
Tena feno habibiana ny fitsipika hapetraky ny fanjakana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia amin’ny be taona aza. Ohatra amin’izany izao fanagadrana ny Rahalahy Gebremichael mitohy ela be izao. Vavolombelona efatra izao no maty tany am-ponja hatramin’ny 2011, ary telo ny Vavolombelona efa be taona maty rehefa avy nafahana satria mafy loatra ny zavatra niaretany tamin’izy tany am-ponja.
Tsy raharahian’ny manam-pahefana any Érythrée mihitsy ny fangatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe handinika an’ilay raharaha, nefa efa imbetsaka ry zareo no nangataka an’izany.
Mivavaka mafy ho an’ny rahalahy sy anabavintsika mbola gadraina tsy ara-drariny isika. Matoky isika hoe hanohana an-dry zareo foana i Jehovah.—Hebreo 13:3.