26 JOLAY 2019
ESPAINA
Madrid, Espaina: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
Daty: 19-21 Jolay 2019
Toerana: Kianja Wanda Metropolitano any Madrid, any Espaina
Fiteny: Anglisy, espaniola, tenin’ny tanana espaniola
Tampon’isan’ny mpanatrika: 52516
Tontalin’ny natao batisa: 434
Solontena avy any ivelany: 6300
Sampana nasaina: Albania, Amerika Afovoany, Arzantina, Boligaria, Etazonia, Ghana, Holandy, Hongria, Kanada, Korea, Peroa, Repoblika Dominikanina, Slovenia, Taïwan, Torkia
Fitantarana: Hoy i César López, mpitantana ny iray amin’ireo hotely nipetrahan’ny solontena avy any ivelany: “Nahafinaritra be ny zavatra hitanay. Lasa ambentin-dresaky ny mpiasa ato aminay ilay hoe mitsiky foana ireny vahiny nandalo tato ireny, dia mahalala fomba, dia tsara fanahy. Hoatran’ny hoe efa hain’ireny vahiny ireny sahady ilay teny filamatrareo [“Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”] talohan’ny nahatongavany tatỳ. Be fitiavana daholo izay nipetraka tato amin’ny hotelinay. Tianay raha miverina indray ry zareo amin’ny manaraka.”
Rahalahy sy anabavy mafana fo miarahaba tonga soa an’ireo solontena avy any ivelany, ao amin’ny Seranam-piaramanidin’i Adolfo Suárez Madrid-Barajas
Anabavy iray miaraka amin’ny vahiny, mitory ao Madrid ary mampiasa taratasy fanasana fivoriambe
Olona maro mankao amin’ilay toerana anaovana fivoriambe, amin’ny maraina
Mitsiky sy manofahofa tanana ny solontena avy any ivelany, rehefa mifarana ny fandaharana zoma hariva
Tovolahy roa Vavolombelon’i Jehovah mampiseho an’ilay Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny espaniola, ao amin’ny fitaovana elektronika. Any amin’ny iray amin’ireo toerana nanaraka mivantana an’ilay fandaharana izy ireo. Navoaka tany Madrid sy tany amin’ny toerana 11 hafa manerana an’i Espaina mantsy ilay Baiboly, ny zoma
Faly be ny rahalahy iray anisan’ireo 434 natao batisa
Manofahofa tanana amin’ny mpanatrika ny mpanompo manontolo andro avy any ivelany, ny alahady hariva
Faly ny mpanatrika sady mitehaka
Mandray tanana ny iray amin’ireo mpanompo manontolo andro manokana ny Rahalahy Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, rehefa tapitra ny fivoriambe
Anabavy manao dihy espaniola, miaraka amin’ny akanjo marevaka, mandritra ny korana takariva