Hijery ny anatiny

Trano nohavaozina misy ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny ao amin’ny Betelan’i Espaina

19 SEPTAMBRA 2022
ESPAINA

Mampandroso ny Asa Fandikan-teny ny Fanavaozana ny Betelan’i Espaina

Mampandroso ny Asa Fandikan-teny ny Fanavaozana ny Betelan’i Espaina

Vao haingana izay no vita ny fanavaozana ny trano iray misy ny birao any amin’ny Betelan’i Espaina. Ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny no tena hampiasa an’io trano io. Tsy hoe io ihany akory no nohavaozina fa mbola hisy trano hafa koa, ary antenaina ho vita alohan’ny 2025 ilay tetikasa.

Misy fitehirizam-boky mahazaka boky hatramin’ny 4 000 izao ao amin’ilay trano nohavaozina. Izay boky tsy misy amin’ny endrika elektronika no hita ao.

Hoy ny Rahalahy John Bursnall, anisan’ny Komitin’ny Sampana: “Nisy fiovana be ny asa teto amin’ny Betelan’i Espaina, tao anatin’izay 25 taona izay. Fanaovana pirinty sy fanatobiana entana no tena natao teto taloha, fa izao lasa misy fandikan-teny amin’ny teny espaniola sy tenin’ny tanana espaniola. Mandika ho amin’ny soratra braille amin’ny fiteny eoropeanina maromaro koa aza izahay. Tena nila nampiana àry ny isan’ny birao. Azo antoka fa ho afaka hanampy bebe kokoa an’ireo rahalahinay maneran-tany izahay noho io fanavaozana io.”

Efa nanomboka koa ny fanavaozana an’ireo trano fonenana efatra. Mahatratra 200 ny mpiasa an-tsitrapo handray anjara amin’ilay tetikasa. Nasiana trano vonjimaika azo afindrafindra miisa 70 ao amin’ny Betela mba hipetrahan’ireo mpiasa ireo.

Hasiana trano azo afindrafindra ao amin’ny Betelan’i Espaina, mba hipetrahan’ny mpiasa an-tsitrapo mandritra ny dingana manaraka amin’ilay fanavaozana

Mbola misy fitomboana be any Espaina hatramin’izao. Misy mpitory 120 530 any izao, ary 23 565 ny mpisava lalana maharitra. Tamin’iny taom-panompoana lasa iny, dia imbalo nisesy i Espaina no nahatratra tampon’isa vaovao teo amin’ny isan’ny mpanompo manontolo andro.

Matoky isika fa hanohana an’io tetikasa io i Jehovah, amin’izay dia ho tratra ny tanjona hoe hanome voninahitra ny anarany masina ireo trano ireo.​—Salamo 61:8.