Hijery ny anatiny

14 APRILY 2022
ESPAINA

Nivoaka Tamin’ny Teny Catalan Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Tamin’ny Teny Catalan Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoakan’ny Rahalahy Alberto Rovira, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Espaina, tamin’ny 2 Aprily 2022 Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny catalan, amin’ny endriny elektronika. Nijery an’ilay fandaharana ny Vavolombelona miteny catalan tany Andorre sy tany amin’ny faritra maro any Espaina, anisan’izany ny tany Catalogne sy ny tany amin’ny Nosy Baléares ary ny tany Valence. Nisy 3 000 mahery no nampiasa Internet dia nanaraka an’ilay fandaharana manokana tao amin’ny JW Stream. Ho azon’ny fiangonana tsy ho ela ilay Baiboly vaovao vita pirinty.

Efa 800 taona lasa tany ho any no nanomboka nisy Baiboly tamin’ny teny catalan. Anisan’ny nisongadina tamin’ny Baiboly amin’ny teny catalan izao ilay atao hoe Baiboly Miady Rima. Nivoaka teo anelanelan’ny 1282 sy 1325 ilay izy. Natao miady rima ny boky 18 ao amin’ny Baiboly, ao amin’io fandikan-teny io, mba hanampiana ny olona hahatadidy an’izay lazainy ao.

Rahalahy sy anabavy mijery an’ilay fandaharana amin’ny JW Stream, any amin’ny Efitrano Fanjakana

Misy teny tranainy be ny ankamaroan’ny Baiboly amin’ny teny catalan ka tsy azon’ny mpamaky. Ao amin’ny Baiboly sasany indray nesorina daholo ny anaran’i Jehovah na betsaka ny hevitra diso tao amin’ilay fandikan-teny.

Hoy ny Rahalahy Rovira tao amin’ilay fandaharana: “Resy lahatra isika hoe mamoaka tsara an’izay nolazain’Andriamanitra amin’ny fiteny fampiasantsika ity Baiboly vaovao ity, sady tena marina ny fomba nandikana an’ilay izy.”

Faly isika fa hisy vokany eo amin’ny olona miteny catalan ny herin’ny Tenin’Andriamanitra noho io Baiboly vaovao io.​—Hebreo 4:12.