24 MEY 2023
ESPAINA
Nomen’i Espaina Alalana Tsy Handoa Hetra ny Vavolombelon’i Jehovah Any
Nisy fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana any Espaina tamin’ny 26 Aprily 2023. Mitondra fiovana be eo amin’ny lalàna momba ny hetra any Espaina io fanapahan-kevitra io. Misy vokany tsara be dia be ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah any koa ilay izy.
Araka ilay fanapahan-kevitra, dia mahazo tsy mandoa ny hetran’ny trano rehetra ampiasainy eran’i Espaina ny fandaminantsika. Tsy mandoa hetra amin’ny vola omeny koa izay olona any manome vola hanohanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ankoatra an’izay, dia hamafisin’io fanapahan-kevitra io hoe fivavahana eken’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny Vavolombelon’i Jehovah.
Tamin’ny Jona 2006 no nekena ho fivavahana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Espaina. Tsy maintsy mbola nandoa hetra foana anefa ry zareo, nefa ny fivavahana hafa tsy mandoa. Nangataka foana ny rahalahintsika any hoe mba tsy handoa hetra intsony. Nampiantso solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Espaina tampoka ny manam-pahefana ao amin’ny Minisiteran’ny Fiadidiana tamin’ny 24 Aprily 2023, fa hoe hisy fivoriana hiarahana amin-dry zareo. Nilazana ny rahalahintsika tamin’izay hoe hovana ny lalàna momba ny hetra ho an’ny fikambanana tsy natao hitadiavam-bola, dia hampiharina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ilay izy. Neken’ny solombavambahoaka rehetra io fanovana ny lalàna io, roa andro tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny 26 Aprily 2023. Hampiharina manomboka ny volana Jona 2023 io fanapahan-kevitra io.
Tena faly isika amin’io fanapahan-kevitra lehibe io satria hamafisin’izy io fa tsy voasakantsakana ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Espaina.—Filipianina 1:7.