6 NOVAMBRA 2019
ESPAINA
Tondra-drano Nandravarava ny Faritra Atsinanan’i Espaina
Oram-be maromaro nisesisesy no nandravarava ny faritra atsinanan’i Espaina nandritra ny volana Septambra sy Oktobra 2019. Ilay tamin’ny 23 Oktobra tany Tarragone no nampidi-doza indrindra. Tamin’izay mantsy no tondraka ny Reniranon’i Francolí ka niteraka tondra-drano mahery be. Mampalahelo fa olona dimy no namoy ny ainy vokatr’iny loza iny, anisan’izany ny rahalahy roa. Avy nivory izy ireo ary nentin’ny rano tampoka ny fiara nentin’izy ireo rehefa nandalo teo amin’ny tetezana iray.
Malahelo be ny mpiara-mivory amin’izy roa lahy ka mampionona azy ireo ny anti-panahy. Mitsidika ny fiangonan’izy ireo koa ny rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Espaina mba hampionona sy hampahery azy ireo.
Mivavaka isika mba hampionona an’ireo rahalahy sy anabavintsika ireo foana i Jehovah amin’izao loza mahazo azy ireo izao.—2 Korintianina 1:3, 4.