1 SEPTAMBRA 2020
ETAZONIA
Afo Mandravarava Any Amin’ny Faritra Andrefan’i Etazonia
Toerana
Faritra avaratr’i Kalifornia sy Orégon
Zava-nitranga
Nisy afo maherin’ny 700 nipoitra vokatry ny tselatra niisa 14 000 teo ho eo sy noho ny antony hafa. Faritra mirefy 400 000 hektara mahery no nirehitra vokatr’izany, tany avaratr’i Kalifornia sy tany amin’ny toerana sasany any Orégon.
Lasa tsy mahasalama intsony ny rivotra noho ny setroka sy ny lavenona. Tamin’ny 21 Aogositra, dia voalaza fa anisan’ny faritra naloto rivotra indrindra maneran-tany ny faritra avaratr’i Kalifornia
Voalaza fa ny roa tamin’ireo afo nirehitra ireo no afo faharoa sy fahatelo lehibe indrindra tany Kalifornia hatramin’izay
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Mpitory 936 no tsy maintsy nafindra toerana vonjimaika
Zavatra simba
Trano roa ipetrahan’ny mpiara-manompo no rava
Fanampiana tra-boina
Komitin’ny Vonjy Rano Vaky iray miaraka amin’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy any an-toerana no manampy an’ireo tra-boina
Tena mankasitraka ny fanampiana azony ireo rahalahy sy anabavintsika. Izao no nolazain’ny rahalahy iray: “Tonga dia manao zavatra ny fandaminana mba hanampiana anao, na inona na inona mitranga. Tena fianakaviana iray ihany isika.” Hita avy amin’ny ezaka mafy atao mba hanampiana an’ireo tra-boina tamin’iny loza iny fa tena tsy misy ‘mahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra.’—Romanina 8:39.