Hijery ny anatiny

22 JOLAY 2019
ETAZONIA

Betsaka ny Trano Ravan’ny Rivo-doza Barry any Amin’ny Faritra Atsimon’i Etazonia

Betsaka ny Trano Ravan’ny Rivo-doza Barry any Amin’ny Faritra Atsimon’i Etazonia

Nisy rivo-doza mahery be niditra an-tanety, tao Louisiane, tamin’ny asabotsy 13 Jolay 2019. Nihena haingana be ny heriny ary Rivo-doza Barry no natao anarany. Be dia be ny trano simba vokatr’izy io. Niakatra be ny rano tany amin’ny faritra maro ary tapaka ny herinaratra nanerana an’i Alabama, Louisiane, ary Mississippi.

Tsy nisy mpitory naratra na maty, saingy 123 no voatery niala ny tranony. Trano 27 ipetrahan’ny mpiara-manompo sy Efitrano Fanjakana 5 koa no simba.

Mampahery an’ireo tratran’iny loza iny ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy any. Manome rano sy sakafo ary fialofana ho an’izay mila an’izany koa ny mpitory any amin’ny fiangonana manodidina. Efa eo am-pandaminana ny fomba hanamboarana ny simba sahady ny mpiara-manompo any.

Mivavaka sy manohana ny rahalahy sy anabavy tratran’ny Rivo-doza Barry, any amin’ny faritra atsimon’i Etazonia isika, amin’izao loza manjo azy ireo izao.—Ohabolana 18:10.