Hijery ny anatiny

Mampiasa fitaovana elektronika vaovao ny mpitsidika ny tranombakoka any Warwick, mba hijerena fanazavana amin’ny ASL

13 FEBROARY 2019
ETAZONIA

Efa Misy Amin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina Izao ny Fitsidihana ny Tranombakoka any Amin’ny Foibe

Efa Misy Amin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina Izao ny Fitsidihana ny Tranombakoka any Amin’ny Foibe

Azo atao amin’ny tenin’ny tanana amerikanina (ASL) ny fitsidihana ny tranombakoka any amin’ny foibe, nanomboka tamin’ny Janoary 2019. Hoy i Enrique Ford, mpiandraikitra ny Sampan-draharahan’ny Tranombakoka: “Niara-niasa ny mpandika teny sy ny ekipan’ny ordinatera mba hahatonga ny fanazavana ao amin’ny tranombakoka ho azo jerena amin’ny ASL. Mahavariana ny zava-bitan’izy ireo! Afaka mankafy tanteraka sy miana-javatra izao ny mpiara-manompo marenina sy tsy mandre tsara rehefa mitsidika ny tranombakokantsika.”

Anisan’ny nitsidika voalohany tamin’ny ASL i Ana Barrios. Marenina izy ary mpisava lalana maharitra any New York. Hoy izy: “Faly be aho rehefa nandray an’ilay fitaovana azo ijerena zavatra amin’ny ASL. Efa nitsidika an’io tranombakoka io aho taloha, dia efa haiko tsara ny zavatra ao. Tsy tena nanohina ny foko anefa ilay izy satria ilay fanazavana sary amin’ny teny anglisy ihany no azoko novakina, dia tsy tena azoko tsara amin’ny an-tsipiriany ilay fanazavana. Nanomboka azoko kokoa ny dikan’ny anaran’i Jehovah raha vao nijery video vitsivitsy tamin’ny ASL aho. Nisy toetran’i Jehovah nasongadina tao amin’ilay tranombakoka, dia nihetsi-po be aho ka nirotsaka mihitsy ny ranomasoko!”

Tamin’ny Jona 2017 no natomboka ilay tetikasa mifandray amin’ny ASL. Rahalahy sy anabavy 23, amin’ny fitambarany, no nandika sy namoaka ny fanazavana ao amin’ilay tranombakoka ho amin’ny ASL. Anisan’izy ireo ny mpitory marenina enina sy ny mpitory mandre enina, izay zanaka marenina. Nanao video 900 mahery maharitra adiny sivy eo ho eo ny mpandika teny mba hamoahana ny fanazavana rehetra amin’ny raki-peo ho amin’ny ASL. Toerana telo no nakana an’ireo video ireo: Tany amin’ny biraon’ny fandikan-teny mitokana any Fort Lauderdale, any Floride, sy tao amin’ny Betelan’i Etazonia any Wallkill, any New York, ary tany amin’ny foibe any Warwick, New York. Nisy rahalahy sy anabavy marenina samihafa taona sy fiaviana nasaina nijery an’ireo video ireo, talohan’ny namoahana azy. Azo antoka tsara, amin’izay, hoe hazava ilay fandikan-teny ary hahafinaritra ilay fitsidihana.

Ny sasany amin’ireo rahalahy sy anabavy nanampy tamin’ny famoahana ny fanazavana ho an’ny tranombakoka ao Warwick, amin’ny ASL.

Nividy fitaovana mitovitovy amin’ireo efa ampiasaina ao amin’ny tranombakoka ao Warwick ny Sampan-draharahan’ny Tranombakoka mba hahafahana mijery fanazavana amin’ny ASL. Nataon’izy ireo afaka mandefa video amin’ny ASL koa ireo efijery lehibe 14 efa ao.

Hoy i Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Ny hampahery sy hanatanjaka ny finoan’ny mpitsidika rehetra any amin’ny foibe no tanjon’ny tranombakoka any Warwick. Faly be isika hoe efa azo jerena amin’ny fiteny 14 izao ny fanazavana ao, anisan’izany ny ASL ho an’ny marenina sy ny tsy mandre tsara, na Vavolombelon’i Jehovah izy na tsia.”

Olona 500000 mahery izay no efa nitsidika an’i Warwick. Asaina isika rehetra mba hitsidika ny tranombakoka any sy hianatra bebe kokoa momba ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay tena manatanjaka ny finoana. Vao mainka ho vonona “hatoky an’Andriamanitra” izay tonga mitsidika ao.—Salamo 78:7.

Rahalahy mijery video amin’ny ASL, ao amin’ny studio iray tsy maharitra ao amin’ny foibe any Warwick, New York, alohan’ny hamoahana an’ilay video ao amin’ilay tranombakoka.

Ankizy telo mandre, zanaka mpitory marenina, mijery tantara ara-baiboly henoina nivoaka tamin’ny 1977, amin’ny ASL.

Rahalahy sy anabavy vitsivitsy miaraka amin’ny fitaovana elektronika, ao amin’ilay fizarana hoe “Ny Baiboly sy ny Anaran’Andriamanitra.”

Mpitsidika mijery video amin’ny ASL eo amin’ny iray amin’ireo efijery lehibe, ao amin’ilay fizarana hoe “Vahoaka Mitondra ny Anaran’i Jehovah.”

Mijery fanazavana amin’ny ASL ny mpitsidika, eo amin’ilay “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, izay misy sary 500 eo ho eo.