Hijery ny anatiny

Ny Efitrano Fanjakana eo amin’ny 1228 Pensacola Street, Honolulu, any Hawaii, rehefa avy nohavaozina

22 APRILY 2020
ETAZONIA

“Efitrano Fanjakana” Voalohany Notokanana Fanindroany Rehefa Afaka 85 Taona

“Efitrano Fanjakana” Voalohany Notokanana Fanindroany Rehefa Afaka 85 Taona

Taona 1935 tamin’izay. I Joseph Rutherford no prezidàn’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana tamin’izany, ary teo izy rehefa nanomboka ny fanorenana an’ilay Efitrano Fanjakana eo amin’ny 1228 Pensacola Street, Honolulu, any Hawaii. Miavaka io trano io satria io no voalohany nantsoina hoe “Efitrano Fanjakana”, maneran-tany. Be dia be koa ny olona nanomboka nanompo an’i Jehovah tao, nandritra an’ireo 80 taona niorenany. Amin’izao fotoana izao, izany hoe 85 taona atỳ aoriana, dia fiangonana efatra no mivory ao amin’io Efitrano Fanjakana eo amin’ny Pensacola Street io. Atao amin’ny fiteny dimy ny fivoriana ao, anisan’izany ny teny pidgin any Hawaii. a

Ilay Efitrano Fanjakana tamin’ny 1935, tamin’ilay izy vao vita kelikely

Nasiana varavarana misokatra tamin’ny 11 ka hatramin’ny 15 Febroary 2020, tamin’ny mbola tsy niparitaka ny COVID-19, rehefa avy nohavaozina tanteraka ilay trano. Nasaina hitsidika tao ny olona eo an-tanàna sy ny manam-pahefana ary ny mpanabe. Nentina nitsidika an’ilay trano izy ireo, nijery fampirantiana ny tantaran’ilay trano, ary nihaino rahalahy manazava ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanao ny lahateny fitokanana ny Rahalahy David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny 16 Febroary.

Hoy ny anabavy iray nanampy tamin’ny fanomanana an’ilay fandaharana: “Marina fa tsy ny hitory amin’ny olona no anton’ilay varavarana misokatra. Tsapanay anefa hoe fitoriana vita ho azy tamin’ny olona maro ilay izy satria tsy ho nahafantatra momba ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy izy ireo raha tsy nisy an’iny.”

Nanampy an’ireo rahalahy sy anabavy hahafantatra kokoa ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo nosy hawaianina iny fotoana iny, sady nanampy azy ireo hahatsapa ny fahamarinan’ilay hoe: “Hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely izy ireo any amin’ireo nosin-dranomasina.”—Isaia 24:15.

a Atao amin’ny alalan’ny vidéoconférence fa tsy any amin’ny Efitrano Fanjakana ny fivorian’ny fiangonana rehetra any Etazonia, amin’izao fiparitahan’ny COVID-19 izao.