Hijery ny anatiny

27 APRILY 2020
ETAZONIA

Fahatsiarovana 2020: Etazonia

Nalefa Tany Amin’ny Fonja Roa any Floride ny Lahatenin’ny Fahatsiarovana

Fahatsiarovana 2020: Etazonia

Nalefa tany amin’ny fonja roa any Palm Beach County, any Floride, ny lahatenin’ny Fahatsiarovana, tamin’ny 7 Aprily hariva, na dia tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah afaka nankany aza mba hitarika an’ilay fandaharana. Misy voafonja 1 100 mahery any amin’ireo fonja ireo.

Rahalahy 12 no mitory any amin’ireo fonja ireo isan-kerinandro. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Tsy nampoizinay hoe hilamina tsara ny zava-drehetra. Mazava hoe tian’i Jehovah haheno ny lahatenin’ny Fahatsiarovana ireo lehilahy ireo.”

Nanatona an’ilay lehilahy miandraikitra ny resaka fivavahana ny mpitory mba hangataka alalana hanao Fahatsiarovana ao amin’ireo fonja roa ireo. Noho ny fameperana vokatry ny fiparitahan’ny COVID-19 anefa, dia tsy afaka nankany ireo rahalahy mba hanao an’ilay lahateny. Mbola teo am-pieritreretana an’izay azo atao ireo mpitory ireo no nangataka video misy an’ilay lahatenin’ny Fahatsiarovana ilay lehilahy. Efa nanao fandaharana izy hoe handefa an’ilay lahateny any amin’ireo fonja roa ireo.

Saika handefa taratasy fanasana hozaraina amin’ny voafonja na hapetaka ao amin’ny fonja ireo rahalahy, rehefa nanome an’ilay video. Gaga indray izy ireo satria efa nametaka filazana be dia be tao amin’ireo fonja ireo ilay mpiandraikitra ny resaka fivavahana. Afaka nijery an’ilay lahatenin’ny Fahatsiarovana daholo izay voafonja te hijery an’ilay izy, ny harivan’ny 7 Aprily.

Nangataka Baiboly maromaro tamin’ireo rahalahy ilay lehilahy, taorian’ny Fahatsiarovana. Voazara daholo ny Baiboly rehetra nalefa tany amin’ireo fonja roa, nefa mbola nisy tsy nahazo.

Faly isika satria afaka mahazo ny Tenin’Andriamanitra na ny voafonja aza.—Matio 24:14.