Hijery ny anatiny

Arabe triatra taorian’ilay horohoron-tany

15 JOLAY 2019
ETAZONIA

Horohoron-tany Tany Amin’ny Faritra Atsimon’i Kalifornia

Horohoron-tany Tany Amin’ny Faritra Atsimon’i Kalifornia

Nisy horohoron-tany mahery vaika sy kely kokoa namely ny faritra atsimon’i Kalifornia, any an-tany efitr’i Mojave, nanomboka tamin’ny 4 Jolay 2019. Nahatratra 7,1 amin’ny maridrefy Richter ny iray tamin’izy ireo, ary voalaza hoe izay no anisan’ny horohoron-tany mahery indrindra tany amin’iny faritra iny tato anatin’ny 20 taona.

Tsy lavitra an’i Ridgecrest no nisy an’ireo horohoron-tany ireo ary misy mpitory 215 ao amin’io tanàna io. Soa ihany fa tsy nisy rahalahy sy anabavy naratra mafy. Mpitory telo kosa no naratra kely. Araka ny tatitra voalohany azo, dia fito ny mpitory tsy maintsy nifindra toerana. Trano 7 nipetrahan’ny mpiara-manompo no simba be, ary 35 kosa no nisy simba kely. Efitrano Fanjakana roa koa no nisy simba kely.

Mpiandraikitra ny faritra roa no mandamina ny fanampiana any amin’ilay toerana. Mampahery ny rahalahy sy anabavy tratran’ilay horohoron-tany koa ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy.

Mivavaka amin’i Jehovah isika mba hampiany hahay hiatrika ny hetraketraky ny natiora hoatran’ireny ny mpanompony.—Ohabolana 2:6-8.