19 JOLAY 2019
ETAZONIA
Houston, Etazonia (Anglisy): Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
Daty: 12-14 Jolay 2019
Toerana: Kianja NRG any Houston, any Etazonia
Fiteny: Anglisy, koreanina
Tampon’isan’ny mpanatrika: 50901
Tontalin’ny natao batisa: 401
Solontena avy any ivelany: 5000
Sampana nasaina: Aostralazia, Belzika, Brezila, Frantsa, Grande-Bretagne, Inde, Italia, Japon, Kanada, Kolombia, Korea, Philippines, Skandinavia, Slovaquie-Tchéquie
Fitantarana: Faly be i Sylvester Turner, ben’ny tanànan’i Houston, nahita an’ireo Vavolombelon’i Jehovah 50000 sy ny vahiny tonga tao Houston mba hanatrika an’ilay fivoriambe. Hoy izy: “Misokatra ho anareo foana ny varavaran’i Houston satria mitondra rivotra mamelombelona ianareo. Vao mainka izahay faly mandray anareo raha ataonareo indroa isan-taona ny hoatr’izao. Tongava foana isan-taona e!”
Rahalahy sy anabavy mandray ny vahiny tonga ao Houston
Rahalahy sy anabavy miara-manompo amin’ny vahiny
Ny sasany amin’ireo rahalahy sy anabavy 401 natao batisad
Rahalahy Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, nanao ny lahateny famaranana ny asabotsy
Vahiny avy any an-tany hafa maka sary, ary manao akanjo mampiavaka ny tany misy azy ny sasany
Vahiny mankafy ny fiarahana
Mitehaka ny mpanompo manontolo andro manokana ny mpanatrika, amin’ny faran’ny fandaharana alahady
Rahalahy sy anabavy nandray anjara tamin’ny korana takariva. Nihira izy ireo, nandihy, ary nampiseho ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Houston