Hijery ny anatiny

30 AOGOSITRA 2019
ETAZONIA

Houston, Etazonia (Espaniola): Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!

Houston, Etazonia (Espaniola): Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
  • Daty: 23-25 Aogositra 2019

  • Toerana: NRG Stadium any Houston, Etazonia

  • Fiteny: Espaniola

  • Tampon’isan’ny mpanatrika: 56167

  • Tontalin’ny natao batisa: 626

  • Solontena avy any ivelany: 5500

  • Sampana nasaina: Amerika Afovoany, Arzantina, Bolivia, Ekoatera, Espaina, Frantsa, Italia, Japon, Kolombia, Peroa, Philippines, Repoblika Dominikanina, Silia, Trinité sy Tobago, Venezoelà

  • Fitantarana: Hoy i Joelle Hardin, anisan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Space Center Houston: “Nankao amiko ny mpiasa iray ato aminay [izay nanamarina ny tapakila fidiran’ny solontena avy any ivelany] tamin’ny maraina dia niteny hoe: ‘Joelle a, ... tsara fanahy be daholo izy rehetra dia nijery tsara ahy sady niteny hoe “misaotra”, indraindray amin’ny fiteny hafa.’ Faly be mihitsy izy. Efa ela aho no tsy nahita azy nientanentana be hoatran’iny.”

 

Tonga ao amin’ilay kianja ny solontena avy any ivelany, amin’ny maraina

Miara-mitory amin’ny rahalahy sy anabavy ny solontena avy any ivelany

Nodiovin’ny mpiasa an-tsitrapo an’arivony ny NRG Stadium mba ho vonona tsara rehefa hanomboka ny fivoriambe ny zoma

Ny 2 amin’ireo rahalahy sy anabavy 626 natao batisa

Manao ny lahateny famaranana zoma ny Rahalahy Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana

Manaraka ny fandaharana ny solontena avy any ivelany sady mandray an-tsoratra

Mitondra vahiny hitsidika ny Houston Museum of Natural Science ny anabavy iray. Anisan’ny toerana tsidihin’ny solontena avy any ivelany io tranombakoka io

Rahalahy sy anabavy manao fampisehoana, mandritra ny korana takariva

Manofahofa tanana eo amin’ny kamerà ny mpanompo manontolo andro manokana, ny alahady hariva