Hijery ny anatiny

Melody Iwuchukwu, enin-taona, mampianatra Baiboly ny mpiara-mianatra aminy telo, amin’ny alalan’ny Zoom.

7 DESAMBRA 2020
ETAZONIA

Mampitombo ny Fanompoany ny Ankizy na dia eo aza ny Valanaretina

Mampitombo ny Fanompoany ny Ankizy na dia eo aza ny Valanaretina

Manan-janaka vavikely enin-taona atao hoe Melody i Mike Iwuchukwu. Mianatra ao an-trano amin’ny alalan’ny Internet i Melody. Henon’i Mike nihazakazaka nidina tamin’ny tohatra hoatran’ny fanaony izy indray andro, tamin’ny fotoanan’ny sakafo antoandro. Lasa i Mike nandeha nijery azy, sady nanantena hoe hahita azy misakafo na milalao. Zavatra hafa mihitsy anefa no hitany ka gaga be izy.

Hoy i Mike: “Io izy fa nipetraka sady niaraka tamin’ny ordinatera sy ilay boky hoe Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly. Nisy mpiara-mianatra aminy telo nihaino azy. Dia hozy i Melody tamiko hoe: ‘Dada! Izaho mampianatra Baiboly!’”

Any Texas, any Etazonia, no misy ny sekoly ianaran’i Melody. Vokatr’ilay valanaretina COVID-19, dia nanomboka nataon’ny tao am-pianarany amin’ny alalan’ny Internet ny fianarana, tamin’ny Septambra 2020. Nanomboka tamin’izay koa i Melody no tapa-kevitra hoe hanomboka fampianarana Baiboly. Nivavaka tamin’i Jehovah àry izy sady nitady hevitra mba hahafahany mahazo mpianatra Baiboly.

Faly erỳ i Mike sy Octavia vadiny rehefa nahita ny zavatra nataon’i Melody. Hoy i Mike: “Efa miresaka momba an’i Jehovah amin’ny mpiara-mianatra aminy foana i Melody. Fa tena nanohina ny fonay mivady anefa ny nahita azy nampianatra Baiboly.”

Mbola mampianatra Baiboly tsy tapaka an’ireo mpiara-mianatra aminy ireo foana i Melody. Hoy izy: “Efa nampianariko momba ny Paradisa sy momba an’i Jesosy izao ry zareo. Dia tiako ry zareo raha lasa Vavolombelon’i Jehovah!”

Miresaka ny zavatra inoany amin’ny olona koa i Samuel Molnar. Sivy taona izy ary mipetraka any Illinois, any Etazonia.

Henon’i Samuel hoe nisy rahalahy anankiray nitory tamin’ny mpiray tanàna taminy, dia teo amin’ny fefy ry zareo no niresaka. Tapa-kevitra ny hanao hoatr’izany koa izy. Rehefa hitany nilalao teo an-tokotany ny zafikelin’ny mpiray tanàna taminy, dia natoniny teo amin’ny fefy sady nanontaniany raha te hahafantatra momba ny Paradisa. Nanaiky ilay ankizilahikely, dia lasa haingana i Samuel nihazakazaka tany an-trano naka an’ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly.

Samuel Molnar, sivy taona, miaraka amin’ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly

Hoy i Samuel: “Noteneniko taminy hoe ho afaka hiara-milalao amin’ny biby izy amin’ny hoavy satria tsy hanaikitra intsony ny biby. Dia novakiko taminy avy eo ilay tantaran’i Daniela tao an-davaky ny liona.”

Tsy izay ihany anefa no nataon’i Samuel. Nanoratra taratasy ho an’ilay ankizilahikely koa izy, dia nohazavainy tao hoe inona avy ny kilalao sy ny video misy ao amin’ny jw.org. Nifanaraka koa izy roa lahy hoe hiara-mamaky tantara hafa avy ao amin’ny Baiboly indray rehefa mihaona.

Faly erỳ i Samuel tamin’io zavatra nataony io, ary miezaka mafy izy izao mba hanatratra ny tanjony manaraka. Hoy izy: “Tiako hianarana tsara daholo ny taratasy mivalona ao amin’ny Fitaovana Fampianarana, amin’izay aho afaka mampianatra olona amin’ireny.”

Nisy anabavy tanora telo any Texas koa nahatratra ny tanjony mifandray amin’ny fanompoana, vao haingana: Nahavita nanao mpisava lalana mpanampy ry zareo nandritra ny vakansy.

Tamin’ny Aogositra, dia nifanao fotoana tamin’ny alalan’ny vidéoconférence i Joselyn Horta, 13 taona, sy Melanie Alvarez, 12 taona, ary Chloe Rodriguez, 10 taona, mba hiara-mitory an-taratasy. Efa ho indimy isan-kerinandro ry zareo no nanao an’izany, sady tamin’ny 7.00 maraina dia efa nanomboka.

Ranabavy Chloe Rodriguez (ambany ankavia), sy Ranabavy Melanie Alvarez (ambony ankavia), ary Ranabavy Joselyn Horta (ankavanana)

Hoy i Joselyn: “Niresadresaka kely sy niara-nisakafo aloha izahay, dia tamin’ny 7.30 no nanomboka nanoratra taratasy.” Tafatory maraina ny iray amin-dry zareo indraindray, dia mandefa SMS ny roa vavy hoe: “Manahoana indrỳ! Mifohaza amin’izay fa hitory ô!”

Nazotozoto erỳ izy telo vavy ka afaka nifampahery. Tena nampahery ny namany sy ny fianakaviany koa anefa ny ezaka nataon-dry zareo. Hoy i Alicia, maman’i Joselyn: “Indraindray aho reradreraka dia tsy te hanompo. Fa rehefa mahita an’i Joselyn manompo eo anefa aho dia hoy aho hoe: ‘Handeha hanompo koa aho ka!’”

Tena faly i Jehovah rehefa mahita an’ireny ankizy ireny manao izay rehetra azony atao mba hitoriana, mandritra an’izao fotoanan’ny valanaretina izao.​—Ohabolana 27:11.