Hijery ny anatiny

Toerana avy nolalovan’ny rambondanitra, any Alabama

21 JANOARY 2020
ETAZONIA

Mandravarava ny Faritra Atsimo sy Afovoan’i Etazonia ny Andro Ratsy sy Rambondanitra

Mandravarava ny Faritra Atsimo sy Afovoan’i Etazonia ny Andro Ratsy sy Rambondanitra

Ny Rahalahy Albert Barnett sy ny Ranabavy Susan Barnett vadiny, Fiangonana Tuscaloosa Andrefana, any Alabama

Nisy andro ratsy tany amin’ny faritra atsimo sy afovoan’i Etazonia, tamin’ny 11 sy 12 Janoary 2020. Be dia be ny zavatra simba tany amin’ny fanjakana maromaro satria avy be ny orana, nisy rivo-mahery, ary nisy rambondanitra maromaro, tao anatin’ireo roa andro ireo. Mampalahelo fa namoy ny ainy ny Rahalahy Albert Barnett, 85 taona, sy ny Ranabavy Susan Barnett vadiny, 75 taona, rehefa namely ny tranon’izy mivady ny rambondanitra.

Efatra, fara fahakeliny, no tranon’ny mpiara-manompo misy simba, araka ny tatitry ny sampan’i Etazonia. Efitrano Fanjakana roa koa no misy simba. Ankoatra izany dia simba be ny toerana fiasan’ny rahalahy iray.

Manampy sy mampahery an’ireo mpiara-manompo tra-boina ny anti-panahy sy ny mpiandraikitra ny faritra. Fantatsika hoe manohana ny rahalahy sy anabavy nidonam-pahoriana i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra.—Salamo 34:18.