Hijery ny anatiny

Mandroso ny fanorenana an’ilay trano vaovao handraisana mpitsidika any Patterson

10 FEBROARY 2022
ETAZONIA

Mandroso Tsara ny Asa Fanorenana sy Fanavaozana any Amin’ny Betelan’i Patterson

Mandroso Tsara ny Asa Fanorenana sy Fanavaozana any Amin’ny Betelan’i Patterson

Misy trano vaovao aorina izao any amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana any Patterson, any Etazonia. Trano handraisana mpitsidika izy io, misy rihana roa, ary mirefy 2 787 metatra toradroa. Amin’ny tapatapaky ny taona 2023 izy io no antenaina ho vita. Hisy tranombakoka hahitana fampirantiana telo maharitra sy fampirantiana iray miovaova ao, ary mpitsidika 1 200 isan’andro no zakany. Betsaka amin’ireo trano any koa no havaozina, ary soloana izay fitaovana efa antitra, ohatra hoe fantsona, kabla, na ny toy izany. Efa ho ny antsasaky ny asa izao no vita, na ny fanorenana izany na ny fanavaozana.

Niatrika olana ireo rahalahy miandraikitra an’ilay tetikasa, vokatry ny valanaretina COVID-19. Sarotra ny nahazo ny fitaovana ilaina ka saika niato ny asa. Tamin’ny fotoana nilana azy mihitsy, ohatra, no tsy nisy simenitra teny amin’ny mpivarotra. Afaka nahazo an’izay nilainy ihany anefa ireo rahalahy mba hamitana ny dalazy ara-potoana na dia lehibe aza ny velarany. Lasa nidangana be koa ny vidin’ny vy, nefa afaka nahazo vy tamin’ny vidiny mirary ihany ireo rahalahy satria efa nisy fifanarahana vitan’izy ireo tany aloha.

Afaka niasa avy any an-tranony ny mpiasa an-tsitrapo rehefa nihiboka ny Betela, ka vita ara-potoana ny fanaovana planina. Nisy fotoana koa ireo rahalahy tsy afaka nivory niaraka tamin’ny manam-pahefana teo an-toerana vokatr’ireo fameperana mifandray amin’ny COVID-19. Natahorana tsy handroso tsara araka ny tokony ho izy àry ilay tetikasa. Nampiasa vidéoconférence sy mpiasa an-tsitrapo miasa any an-tranony anefa ny Komitin’ny Fanorenana, mba hahafahana miara-miasa akaiky amin’ireo sampan-draharaha ao amin’ny Betela sy ny manam-pahefana. Vokatr’izany, dia azon’izy ireo ara-potoana daholo izay fahazoan-dalana nilainy.

Nisy olana hafa koa anefa. Nisy fotoana mantsy niova ny toro lalana momba ny fihibohana, dia lasa tsy azo natao ny nampiditra mpiasa an-tsitrapo. Lasa azo natao indray anefa izany tamin’ny Septambra 2020 tany ho any, ka nisy mpiasa an-tsitrapo vaovao nantsoina mba hipetraka sy hiasa eo amin’ilay toerana.

Anisan’ny voantso tamin’ilay tetikasa fanorenana ny Ranabavy Jennifer Paul, nandritra an’ilay valanaretina. Hoy izy: “Tiako ny manao asa mafy. Tsy ilay asa ihany anefa no tiako, fa ny olona koa. Hitanao mihitsy eto ny fiasan’ny fandaminana sy ny fitarihan’i Jehovah.”

Mpiasa an-tsitrapo 440 izao no mandray anjara amin’ilay tetikasa fanorenana sy fanavaozana any Patterson, ka any an-toerana ny 350 eo ho eo amin’ireo. Hitan’ireo rahalahy sy anabavintsika any hoe manome an’izay rehetra ilaina i Jehovah mba ho vita soa aman-tsara ilay tetikasa.​—1 Tantara 29:16.

 

Rahalahy roa mandavaka tatatra ho an’ilay trano vaovao handraisana mpitsidika

Anabavy iray mandray anjara amin’ny fanavaozana ny tranon’ny fikojakojana. Manambatra fil ao anaty fitaovana manafana sy mampangatsiaka trano izy

Andry vy handeha hatsangana amin’ny alalan’ny grue

Ilay trano handraisana mpitsidika, raha jerena avy eny ambony. Tazana eo aoriana ilay foibem-pampianarana

Mpiasa an-tsitrapo iray manamboatra tohana vy, eo amin’ny rihana faharoa amin’ilay trano handraisana mpitsidika

Fitaovana vaovao manafana sy mampangatsiaka trano, ampiakarina amin’ny alalan’ny grue mba hapetraka eo an-tampon’ny trano iray misy birao

Mpanao fanorenana roa falifaly

Mpiasa an-tsitrapo miasa hatramin’ny alina, eo amin’ny rihana faharoa amin’ilay trano handraisana mpitsidika