Hijery ny anatiny

17 SEPTAMBRA 2020
ETAZONIA

Mbola Misy Foana ny Afo any Amin’ny Faritra Andrefan’i Etazonia

Mbola Misy Foana ny Afo any Amin’ny Faritra Andrefan’i Etazonia

Toerana

Kalifornia sy Orégon ary Washington

Zava-mitranga

  • Miely haingana be ny afo, ka faritra mirefy 2 000 000 hektara mahery no efa may, any Kalifornia ka hatrany Washington

  • Miharatsy ny rivotra noho ilay afo, ka lasa manimba ny fahasalamana

  • Ny iray amin’ireo afo ireo no afo lehibe indrindra tany Kalifornia hatramin’izay

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 4 546 no tsy maintsy nafindra toerana

Zavatra simba

  • Trano 61 no rava

  • Trano 16 no nisy simba

Fanampiana tra-boina

  • Miara-miasa amin’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy any an-toerana ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky mba hanampiana an’ireo rahalahy sy anabavy tsy maintsy nifindra. Manaraka an’ireo toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 izy ireo eo am-panaovana an’izany

Tsapan’ireo mpitory tratran’ilay loza hoe mampiasa ny fandaminany i Jehovah mba hanampiana azy ireo. Rava, ohatra, ny tranon’ny anabavy iray. Nilaza izy hoe ‘mbola tsy hain-dry zareo akory hoe inona ny zavatra ilainy, dia efa nanome an’ilay izy’ ireo rahalahy.

Na dia mbola mitohy aza ny olana atrehin’ireo rahalahy sy anabavintsika tratran’ilay loza, dia tsapan’izy ireo fa tena tia sy mikarakara azy ireo i Jehovah.—Jakoba 5:11.