Hijery ny anatiny

5 SEPTAMBRA 2019
ETAZONIA

Namely An’i Bahamas ny Rivo-doza Dorian

Namely An’i Bahamas ny Rivo-doza Dorian

Niditra an-tanety tany amin’ny Nosy Great Abaco, any amin’ny faritra avaratr’i Bahamas, ny Rivo-doza Dorian, ny alahady 1 Septambra 2019. Amin’ny rivo-doza rehetra nandalo ny Oseana Atlantika, dia io no anisan’ny mahery vaika indrindra hatramin’izay. Mampidi-doza izy io satria mitondra rivo-mahery sy oram-be nefa mikisaka moramora. Tsy dia nanimba zavatra kosa ilay rivo-doza rehefa nandalo tany amin’ny Nosy Sous-le-vent sy tany Porto Rico ary tany amin’ny Nosy Vierges.

Mbola tsy voarain’ny biraon’ny sampan’i Etazonia ny tatitra rehetra momba ny mpiara-manompo tratran’ilay loza, sy ny fiantraikan’ilay izy amin’ny fananan’ny sampana. Misy mpitory 46 any amin’ireo fiangonana roa any amin’ny Nosy Great Abaco, ary tsy misy maratra izy ireo, araka ny tatitra voaray hatreto. Rava kosa ilay Efitrano Fanjakana tokana any amin’io nosy io.

Misy fiangonana efatra sy mpitory 364 any amin’ny Nosy Grand Bahama. Araka ny tatitra voaray dia ny 196 amin’ireo mpitory ireo no tsy maintsy nafindra toerana, 22 ny trano simba, ary trano 3 no rava.

Efa nanome toromarika ho an’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy tany amin’ireo toerana ireo ny biraon’ny sampana, talohan’ny nahatongavan’ilay rivo-doza. Nasain’ny sampana nankany Nassau renivohitra na any amin’ny toerana azo antoka ny rahalahy sy anabavy rehetra.

Mivavaka ho an’ny rahalahy sy anabavy tratran’iny rivo-doza iny isika. Fantatsika hoe hitan’i Jehovah ny manjo azy ireo ary homeny hery hiatrehana an’izao fotoam-pahoriana izao izy ireo.—Salamo 46:1, 2.