Hijery ny anatiny

8 SEPTAMBRA 2021
ETAZONIA

Namely ny Faritra Atsimo sy Avaratr’i Etazonia ny Rivo-doza Ida

Namely ny Faritra Atsimo sy Avaratr’i Etazonia ny Rivo-doza Ida

Namely an’i Port Fourchon, any Louisiane, ny rivo-doza mahery vaika atao hoe Ida, tamin’ny 29 Aogositra 2021. Niakatra be ny ranomasina ary nisy oram-be sy rivotra mahery. Vokatr’izany dia nisy tondra-drano be, betsaka ny trano sy ny zavatra simba, ary tapaka ny jiro tany amin’ny faritra amoron-tsiraka. Tamin’ny 1 Septambra, dia lasa nisy tondra-drano sy rambondanitra koa tany amin’ny faritra avaratratsinanana vokatr’ilay rivo-doza sy ny toetrandro tany. Mbola afaka herinandro maromaro vao hiverina ny jiro any amin’ny toerana sasany.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy mbola naharay tatitra aloha izahay hatramin’izao hoe nisy rahalahy sy anabavy namoy ny ainy

  • Rahalahy 2 no naratra kely

  • Anabavy 1 no nampidirina hopitaly satria naratra tamin’izy nafindra toerana

  • Trano 1 429 no misy simba kely

  • Trano 183 no simba be

  • Trano 19 no rava

  • Efitrano Fanjakana 43 no misy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 10 no simba be

  • Efitrano Fivoriambe 4 no misy simba kely

Tranona ranabavy iray any Nouvelle-Orléans, any Louisiane, simban’ny rivo-doza

Fanampiana tra-boina

  • Mampahery an’ireo rahalahy sy anabavy tratran’ilay loza ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy eo an-toerana ary ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky

  • Omena sakafo sy rano ary fanafody izay mila an’izany

  • Arahina tsara ny toromarika fiarovana amin’ny COVID-19 rehefa manampy ny tra-boina

Efa niomana mialoha ireo rahalahy hoe inona no hatao rehefa misy loza. Nankatò ny manam-pahefana koa ry zareo ka niala tamin’ny toerana mampidi-doza. Voaro ny ain’izy ireo vokatr’izany.​—Ohabolana 22:3.