Hijery ny anatiny

6 Aogositra 2020
ETAZONIA

Namely ny Morontsiraka Atsimon’i Texas ny Rivo-doza Hanna

Namely ny Morontsiraka Atsimon’i Texas ny Rivo-doza Hanna

Toerana

Texas, Etazonia

Zava-nitranga

  • Sokajy voalohany no misy ny rivo-doza Hanna, izany hoe tsy mahery vaika be. Niantefa tamin’ny morontsirak’i Texas ilay izy tamin’ny 25 Jolay 2020, ary nahatonga tondra-drano. Niakatra be koa ny haavon’ny ranomasina

  • Hanna no rivo-doza voalohany tany amin’ny Ranomasina Atlantika tamin’ity taona ity

Vokatr’ilay rivo-doza tamin’ny mpiara-manompo

  • Rahalahy anankiroa no naratra

  • Mpitory 193 no tsy maintsy nafindra toerana vonjimaika

Trano Simba

  • Tranona rahalahy 347 no simba

  • Trano 31 no tena simba be

Fanampiana Tra-boina

  • Niara-niasa tamin’ny anti-panahy teo an-toerana ny mpiandraikitra ny faritra, dia nanampy sy nampahery ny rahalahy sy anabavy niharan’ilay loza

Faly isika fa manampy ny rahalahy sy anabavy any Texas hiatrika an’ilay fotoan-tsarotra i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.”—2 Korintianina 1:3, 4.