Hijery ny anatiny

6 NOVAMBRA 2020
ETAZONIA

Nandravarava Tany Atsimoatsinanan’i Etazonia ny Rivo-doza Zeta

Nandravarava Tany Atsimoatsinanan’i Etazonia ny Rivo-doza Zeta

Toerana

Atsimoatsinanan’i Etazonia

Zava-nitranga

  • Tafiditra tao Louisiane ilay rivo-doza tena mahery vaika, tamin’ny 28 Oktobra 2020. Nandravarava tany amin’ny faritra sasany tany atsimoatsinanan’i Etazonia aloha izy io, izay vao nihena ny heriny.

  • Tondraka ny rano tany amin’ny faritra amoron-tsiraka. Nisy rivotra nifofofofo be koa, ka simba ny trano sasany ary betsaka no tapaka ny herinaratra

Vokatr’ilay rivo-doza tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 324 no tsy maintsy nafindra toerana

  • Mpitory 1 no naratra kely

Trano Simba

  • Trano 291 sy Efitrano Fanjakana 14 no nisy simba kely

  • Trano 8 sy Efitrano Fanjakana 3 no simba be

  • Trano 1 no rava tanteraka

Fanampiana Tra-boina

  • Mampahery an’ireo rahalahy sy anabavy tra-boina ny anti-panahy any an-toerana sy ny mpiandraikitra ny faritra, sady manome izay zavatra ilain’izy ireo. Ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky voatendry hikarakara ny fizarana fanampiana mifandray amin’ny valanaretina COVID-19 sy ilay Rivo-doza Laura ihany no miandraikitra ny fizarana fanampiana an’ireo tra-boina tamin’ny Rivo-doza Zeta. Tsy maintsy manaraka ny fepetra rehetra natao hiarovana amin’ny valanaretina COVID-19 anefa izy ireo rehefa manao an’izany.

Malahelo isika hoe lasa mijaly sy sahirana ny mpiara-manompo amintsika, vokatr’ilay rivo-doza. Hita anefa hoe maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny mpanompony i Jehovah, rehefa jerena ireny fanampiana tra-boina ataon’ny rahalahy sy anabavintsika maneran-tany ireny.—Salamo 89:1.