Hijery ny anatiny

19 OKTOBRA 2020
ETAZONIA

Nandravarava any Louisiane ny Rivo-doza Delta

Nandravarava any Louisiane ny Rivo-doza Delta

Toerana

Louisane sy Texas

Zava-nitranga

  • Tafiditra tany Louisiane ilay rivo-doza sokajy faharoa, tamin’ny 9 Oktobra 2020. Mbola nandravarava an’ireo toerana simban’ny rivo-doza Laura ilay rivo-doza Delta

  • Nitondra rivo-mahery sy oram-be ilay rivo-doza ka tondraka ny rano ary tapaka ny herinaratra tany amin’ny faritra maro

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 1 583 no nafindra toerana

Zavatra simba

  • Trano 216 ary Efitrano Fanjakana 16 no nisy simba

  • Trano 7 no nisy simba be

  • Trano 3 no rava tanteraka

Fanampiana Tra-boina

  • Nanampy ny mpiara-manompo nila sakafo, rano, fialofana, ary zavatra hafa tena nilaina ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy teo an-toerana. Komitin’ny Vonjy Rano Vaky notendrena tamin’ny rivo-doza Laura ihany no nikarakara an’ilay fanampiana. Mailo sy manaraka tsara ny toromarika momba ny fahasalamana mifandray amin’ny COVID-19 foana ireo rahalahy.

Miezaka mampahery an’ireo mpiara manompo ny anti-panahy eo an-toerana. Hoy ny iray amin-dry zareo: “Mampahery ny mahita hoe matanjaka ireo rahalahy sy anabavy noho ny fanampian’i Jehovah. Azo antoka fa omeny ny ‘hery fanampiny’ izy ireo.”—2 Korintianina 4:7.

Misaotra an’i Jehovah isika satria “fialofana” sy fiarovana ho an’ireo rahalahy sy anabavy tamin’ireny rivo-doza ireny foana izy.—Isaia 4:6.