Hijery ny anatiny

14 AOGOSITRA 2020
ETAZONIA

Nandravarava ny Faritra Atsinanan’i Etazonia ny Rivo-doza Isaias

Nandravarava ny Faritra Atsinanan’i Etazonia ny Rivo-doza Isaias

Toerana

Faritra atsinanan’i Etazonia

Zava-nitranga

  • Niditra an-tanety tany Caroline Avaratra ny Rivo-doza Isaias, tamin’ny 3 Aogositra 2020. Sokajy voalohany no misy an’ilay rivo-doza, izany hoe tsy mahery vaika be ilay izy

  • Nisy rambondanitra maromaro niforona rehefa nandalo ilay rivo-doza, ka be dia be ny zavatra ravan’ny rivotra mahery, ary imbetsaka no tapaka ny herinaratra

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Nisy anabavy iray naratra

  • Fianakaviana 12 no tsy maintsy nafindra toerana vonjimaika

Zavatra simba

  • Trano 55 an’ireo rahalahintsika no nisy simba kely

  • Trano dimy no simba be

  • Betsaka ny fiara simba

  • Efitrano Fanjakana dimy no nisy simba kely

Fanampiana Tra-boina

  • Nanao zavatra haingana ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy any amin’ny toerana tratran’ilay loza mba hanampiana ny rahalahy sy anabavy. Sady nanaraka ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 izy ireo rehefa nanao an’izany

Tena faly isika fa manohana foana an’ireo rahalahy sy anabavy tratran’ireny rivo-doza ireny i Jehovah. Tsy andrintsika ilay fotoana hoe tsy hisy olona ‘hatahotra loza’ araka ny natiora intsony.—Ohabolana 1:33.