Hijery ny anatiny

El Reno, any Oklahoma, rehefa avy nolalovan’ny rambondanitra

13 JONA 2019
ETAZONIA

Nanimba Zavatra Tany Amin’ny Faritra Maro any Etazonia ny Toetrandro Ratsy

Nanimba Zavatra Tany Amin’ny Faritra Maro any Etazonia ny Toetrandro Ratsy

Hita amin’ny filazam-baovao hoe nisy oram-baratra mahery be dia be sy rambondanitra 500 teo ho eo namely an’i Etazonia, nandritra ny volana Mey 2019.

Tratran’ireo toetrandro ratsy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah any Arkansas, Indiana, Mississippi, Missouri, Ohio, Oklahoma, Pennsylvanie, ary Texas. Tsy nisy maty tamin’izy ireo saingy enina no naratra ary ny efatra tamin’izy ireo no niditra hopitaly. Trano 6 an’ny mpiara-manompo koa no rava ary trano 98 sy Efitrano Fanjakana 12 no simba. Vavolombelon’i Jehovah 84 àry no tsy maintsy nafindra toerana.

Mbola mamantatra ny habetsahan’ny zavatra simba ny rahalahintsika any sady manome sakafo sy rano ary trano ho an’izay mila an’izany. Miara-miasa koa ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy ka mampiasa ny Baiboly mba hampiononana sy hampaherezana ny mpiara-manompo amintsika.

Mbola miezaka miarina amin’ireny loza ireny ny rahalahy sy anabavintsika, ary mivavaka sy manohana azy ireo foana isika.—2 Korintianina 1:3, 4.