Hijery ny anatiny

Fiara navelan’ny tompony eny amin’ny arabe, any Houston, any Texas

2 OKTOBRA 2019
ETAZONIA

Nisy Rivo-doza Nahatonga Tondra-drano Tany Atsimoatsinanan’i Texas

Nisy Rivo-doza Nahatonga Tondra-drano Tany Atsimoatsinanan’i Texas

Nitondra rotsakorana 102 santimetatra mahery ny Rivo-doza Imelda tao anatin’ny andro vitsivitsy monja. Tratran’ny tondra-drano àry ny faritra sasany tany atsimoatsinanan’i Texas nandritra ny herinandron’ny 16 Septambra 2019. Nihevitra ny manam-pahaizana hoe iny no anisan’ny rivo-doza nitondra rotsakorana be indrindra tany Etazonia. Fiara an-jatony no navelan’ny tompony teny amin’ny arabe, taorian’ilay rivo-doza. Be dia be koa ny olona tsy maintsy niala tamin’ny tranony.

Nilaza ny tatitra voalohandohany nataon’ny sampan’i Etazonia fa tsy nisy naratra na maty ireo mpitory 29649 mipetraka any amin’ny faritra tratran’ilay loza. Mpitory 114 kosa no tsy maintsy niala tamin’ny tranony. Trano 145 ipetrahan’ny mpiara-manompo sy Efitrano Fanjakana 10 no simba.

Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ny sampana ary miara-miasa akaiky amin’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy io komity io mba hanombana ny zavatra simba sy handamina ny fanampiana tra-boina. Matoky isika hoe manampy ny mpiara-manompo amintsika i Jehovah satria lehibe ny ‘hatsaram-panahiny feno fitiavana.’—Salamo 36:5.