Hijery ny anatiny

Sary nalaina avy eny ambony mampiseho ny tanànan’i McKinney, any Texas, taorian’ilay tafio-drivotra

1 MARTSA 2021
ETAZONIA

Nisy Tafio-drivotra Mahery Be Namely ny Faritra Atsimon’i Etazonia, ka Olona 7 500 Mahery no Voatery Nafindra Toerana

Nisy Tafio-drivotra Mahery Be Namely ny Faritra Atsimon’i Etazonia, ka Olona 7 500 Mahery no Voatery Nafindra Toerana

Toerana

Faritra atsimon’i Etazonia

Zava-nitranga

  • Nisy tafio-drivotra amin’ny ririnina namely ny tapany atsimon’i Etazonia nanomboka tamin’ny 13 Febroary 2021. Tany Texas no tena nahitana fahasimbana be. Betsaka ny trano sy orinasa tsy nisy herinaratra nandritra ny andro maromaro, vokatry ny lanezy sy gilasy ary ny mari-pana ambany loatra. Nivaingana koa ny rano tany anaty fantsona, ka be dia be ny zavatra simba

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 11 no nila naiditra hopitaly

  • Mpitory 94 no naratra kely

  • Mpitory 7 650 no nafindra toerana

Zavatra simba

  • Efitrano Fanjakana 14 sy Efitrano Fivoriambe 1 no simba kely

  • Efitrano Fanjakana 5 no simba be

  • Trano 3 224 no simba kely

  • Trano 113 no simba be

  • Trano 12 no rava

Fanampiana tra-boina

  • Niara niasa tamin’ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky misahana ny fanampiana mifandray amin’ny COVID-19 ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy teo an-toerana mba hanampiana ny mpiara-manompo. Nizara rano fisotro madio, ohatra, ry zareo, dia nanamboatra an’izay trano sy Efitrano Fanjakana nila fanamboarana maika. Nandamina trano vonjimaika ho an’ireo voatery nafindra toerana koa ireo rahalahy. Manaraka tsara ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 ireo mikarakara fanampiana

Faly isika hoe mampionona an’ireny mijaly noho ny hetraketraky ny natiora ireny i Jehovah.​—2 Korintianina 1:3.