Hijery ny anatiny

Ankavia miankavanana: Ranabavy Mary Larimer sy ireo olon-kafa anisan’ny kilasy voalohany tamin’ny Sekolin’i Gileada; diplaoman’ny Gileada nomena an’i Mary tamin’ny 23 Jona 1943; ary Mary tamin’ny 2017

23 JANOARY 2024
ETAZONIA

Nodimandry teo Amin’ny Faha-103 Taonany Ilay Sisa Velona Tamin’ny Kilasy Voalohany Tamin’ny Sekolin’i Gileada

Nodimandry teo Amin’ny Faha-103 Taonany Ilay Sisa Velona Tamin’ny Kilasy Voalohany Tamin’ny Sekolin’i Gileada

Maty tamin’ny 23 Novambra 2023 i Mary M. Larimer. Iray tamin’ireo nahazo diplaoma tamin’ny kilasy voalohany tamin’ny Kolejy Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana izy. a Teraka tany Scenery Hill, any Pennsylvanie, any Etazonia i Mary tamin’ny 4 Jona 1920. Tamin’ny 1935 izy no natao batisa, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra iray tany Washington, any Etazonia. Dimy ambin’ny folo taona izy tamin’izay. Efa-taona tatỳ aoriana, dia lasa mpisava lalana maharitra ny Ranabavy Larimer ary vetivety izy dia lasa fantatra hoe mpitory mazoto.

Nasaina hameno fangatahana hanatrika ny Kolejy Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana i Mary, tamin’ny Desambra 1942. Ny Rahalahy Nathan Knorr, izay nitarika ny asan’ny fandaminana tamin’izany, no nanasa azy hameno an’ilay izy. Resahin’ilay taratasy fangatahana hoe: “Ny tanjon’ilay sekoly dia hanampy lehilahy sy vehivavy mpitory ny vaovao tsara, mba ho vonona hanao ny asa misionera maneran-tany.” Izao koa no voasoratra tao: “Haharitra dimy volana ilay sekoly … Mila mazoto mianatra mafy ny mpianatra, mba hahavitany an’ilay sekoly ao anatin’izany fotoana fohy kely izany.” Nofenoin’i Mary haingana ilay taratasy fangatahana ary naveriny avy hatrany.

Tamin’ny 1 Febroary 1943 ny andro voalohany tamin’ilay sekoly, tao South Lansing, any New York, any Etazonia. Nisy mpianatra 99 hafa niaraka tamin’i Mary. Nazoto nianatra ny Soratra Masina i Mary nandritra ny dimy volana latsaka kely. Mpianatra nahay izy ary nahazo diplaoma tamin’ny 23 Jona 1943.

Mary sy mpianatra maromaro manofahofa tanana avy eo amin’ny lavarangana iray eo ambonin’ny fidirana ao amin’ilay trano fanaovana Sekolin’i Gileada any South Lansing, any New York, any Etazonia.

Voatendry ho misionera tany Cuba i Mary rehefa avy nahazo diplaoma. Izao no nolazainy momba ny zava-tsarotra sasany tamin’ilay fanendrena vaovao: “Nahantra ny olona tany. Tsy maintsy nandeha an-tongotra izahay rehefa nanompo … Tsy nanana fiara mantsy izahay.” Nijanona tany foana i Mary hatramin’ny 1948. Niverina tany Pennsylvanie izy tamin’izay mba hikarakara ny mamany, satria naratra mafy izy io. Nazoto nanompo sy nanao karazana fanompoana hafa i Mary nandritra an’ireo taona nanaraka. Nijanona ho mpitovo koa izy. Nanompo tao amin’ny fiangonana iray tao Glendale, any Kalifornia, any Etazonia, izy talohan’ny nahafatesany.

Nanao karazana fanompoana samihafa i Mary tamin’izy misionera tany Cuba

Mary (ankavia) sy i Helen Ferrari rahavaviny, ary i Salvino vadin’i Helen. Nanatrika ny kilasy faharoa tamin’ny Sekolin’i Gileada ry Ferrari mivady ary nanompo tany Cuba koa

Any Patterson, any New York, izao ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada ary ny kilasy faha-155 izao no mianatra ao. Hoy ny Rahalahy Mark Noumair, izay mpampianatra ao, rehefa naheno hoe maty i Mary: “Tovovavy avy any amin’ny tanàna kely i Mary Larimer, ary nankany amin’ny toerana tsy fantatra izy mba hiresaka momba an’i Jehovah. Tsy fantany mihitsy hoe aiza izy no halefa sy hoe mety mbola ho tafaverina hody ve. Nanampy tamin’ny fandrosoan’ny asa fitoriana maneran-tany ny misionera toa an’i Mary.”​—Isaia 6:8.

a Novana hoe Sekoly Ara-baibolin’i Gileada ilay hoe Kolejy Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1946.