Hijery ny anatiny

Rahalahy Joseph Rutherford manao lahateny, nandritra an’ilay fivoriambe manan-tantara tany Cedar Point, Etazonia, tamin’ny 10 Septambra 1922. Havanana: Kamerà maka video ny ampahany amin’ilay fandaharana

11 APRILY 2022
ETAZONIA

Avy any Amin’ny Tranombakoka Ampiasaintsika

Ombay Mitady: Filman’ny Fivoriambe Tany Cedar Point

Ombay Mitady: Filman’ny Fivoriambe Tany Cedar Point

Dokam-barotra amin’ny gazety mampirisika ny olona hijery ny filman’ilay fivoriambe tany Cedar Point

Fotoan-dehibe ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay fivoriambe tany Cedar Point, Etazonia, tamin’ny 1922. Tamin’io mantsy ny Rahalahy Joseph Rutherford no nampirisika ny olon-drehetra hitory momba an’ilay Fanjakana.

Misy zavatra hafa mampiavaka an’io fivoriambe io koa anefa: Nalaina video ilay izy. Mbola tsy hita na aiza na aiza anefa ny videon’io fivoriambe io hatramin’izao.

Hita tamin’ny sary nalaina tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny Septambra 1922 hoe nisy polipitra kely nasiana kamerà mba hakana video ny ampahany tamin’io fotoan-dehibe manan-tantara io. Mbola vaovao be ny fampiasana kamerà, tamin’izany.

Hoatran’ny azon’ny besinimaro nojerena ilay filma. Nahitana dokam-barotra momba an’io filma io, ohatra, ny gazety iray. Nampirisihiny ny mpamaky hoe: “Ento mody ilay fivoriambe. Jereo ao ny namanao, jereo ao ny lahatenin’ny batisa.” Nisy soso-kevitra momba ny fitoriana koa tao, hoe: “Asao any an-tranonao ny mpiray tanàna aminao dia ampiasao ny filman’ity fivoriambe ity mba hitoriana aminy. Alefaso haingana ny fanafaranao.”

Raha mahita kopian’io filma io ianao dia asaina mba hifandray amin’ny Sampan-draharahan’ny Tranombakoka, ao amin’ny MuseumDonations@jw.org, na manorata any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny 1 Kings Drive, Tuxedo Park, NY 10 987. Tena zava-dehibe eo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah io vakoka io, dia manantena izahay hoe ho hitantsika izy io.