Hijery ny anatiny

14 DESAMBRA 2021
ETAZONIA

Rambondanitra Mahery Nandravarava Tany Amin’ny Faritra Atsimo sy Afovoan’i Etazonia

Rambondanitra Mahery Nandravarava Tany Amin’ny Faritra Atsimo sy Afovoan’i Etazonia

Nisy rambondanitra namely toerana valo tany amin’ny faritra atsimo sy afovoan’i Etazonia, nanomboka tamin’ny 10 Desambra 2021. Nandravarava hatrany amin’ny 402 kilaometatra teo ho eo mihitsy aza ny iray tamin’izy ireo. Be dia be ny olona maty vokatr’izany, ary maro ny trano simba. Tany Kentucky no tena be zavatra simba indrindra.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy maty na naratra tamin’ireo rahalahy sy anabavintsika

  • Mpitory 31 no nafindra toerana

  • Trano 10 no nisy simba kely

  • Trano 3 no simba be

  • Trano 9 no potika

Fanampiana tra-boina

  • Mampahery an’ireo fianakaviana tra-boina ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy

  • Manaraka ny toromarika mifandray amin’ny COVID-19 ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanampiana tra-boina

Matoky isika fa tena malahelo be an’ireo rahalahy sy anabavintsika mijaly noho ireny loza voajanahary ireny i Jehovah.​—Isaia 63:9.