Hijery ny anatiny

14 MARTSA 2019
ETAZONIA

Rambondanitra Nahafaty Olona Maro Tany Amin’ny Faritra Atsimoatsinanan’i Etazonia

Rambondanitra Nahafaty Olona Maro Tany Amin’ny Faritra Atsimoatsinanan’i Etazonia

Nisy rambondanitra namely ny faritra sasany tany Alabama sy Floride ary Géorgie, ny alahady 3 Martsa 2019. Olona 23 no maty ary am-polony no naratra.

Nilaza ny sampan’i Etazonia fa tsy nisy rahalahy na anabavy maty. Naratra kosa ny anabavy iray rehefa nanimba tanteraka ny tranony tany Fort Valley, any Géorgie, ilay rambondanitra. Tsaboina eny amin’ny hopitaly akaiky azy izao io anabavy io. Nilaza koa ny sampana hoe trano enina an’ny mpiara-manompo no simba ary trano efatra hafa kosa no rava tanteraka. Manaraka ny toromarika omen’ny mpiandraikitra ny faritra ny mpitory ka manome sakafo sy fitafiana ary fialofana ho an’ireo mpiara-manompo tra-boina. Mampahery azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly koa ny anti-panahy.

Mivavaka isika mba hampahery an’ireo rahalahy sy anabavintsika ireo ny andinin-teny ho an’ny taona 2019 hoe: “Aza manahy fa izaho no Andriamanitrao.”—Isaia 41:10, nwt.