18 SEPTAMBRA 2019
ETAZONIA
Rava Daholo Izay Nolalovan’ny Rivo-doza Dorian
Namely ny morontsiraka atsinanan’i Etazonia ny Rivo-doza Dorian, rehefa avy nandalo an’ireo nosy any Bahamas. Nandalo tao Cape Hatteras any Caroline Avaratra ilay rivo-doza, ny zoma maraina 6 Septambra 2019 ka be dia be ny trano sy ny toeram-piasana tratran’ny tondra-drano. Nitondra rivotra mahery be tany Nouvelle-Écosse, any Kanada, ilay rivo-doza, tamin’ny 7 Septambra 2019.
Nanao tatitra ny sampan’i Etazonia hoe anabavy iray no naratra tamin’ireo mpitory 1 742 any Bahamas. Araka ny fantatra hatreto dia trano 48 an’ny Vavolombelon’i Jehovah no simba ary 8 no rava.
Mpitory maromaro nipetraka tany amin’ny Nosy Great Abaco no nafindra tany Nassau, renivohitr’i Bahamas. Faly nitsena azy ireo teo ivelan’ny seranam-piaramanidina ny rahalahy sy anabavy tany.
Mikarakara ny fanampiana tra-boina sy mampahery ny mpitory tratran’ilay loza ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky sy ny mpiandraikitra ny faritra. Tonga hanampy koa ny rahalahy avy any amin’ny biraon’ny sampan’i Etazonia sady mampahery ny fiangonana amin’ny alalan’ny Baiboly.
Ny faritr’i Caroline Avaratra sy Atsimo no voa mafy indrindra, tany Etazonia. Tsy nisy naratra ny mpiara-manompo amintsika tany fa ny 737 amin’izy ireo no tsy maintsy nafindra toerana. Ho afaka hiverina amin’ny tranony ihany ny ankamaroan’izy ireo. Trano 50 sy Efitrano Fanjakana 12 koa no simba.
Tsy nisy naratra ny mpiara-manompo amintsika any Kanada. Nisy simba kely kosa ny tranona mpiara-manompo vitsivitsy sady tapaka ny herinaratra tao amin’ireo trano ireo. Afaka nanampy ny mpiara-mivory aminy ny rahalahy sy anabavy any.
Faly isika fa mihaino ny fitalahoan’ny mpiara-manompo amintsika i Jehovah. Mitoky aminy mantsy izy ireo amin’izao fotoan-tsarotra izao.—Salamo 28:6.