Hijery ny anatiny

Namely an’i Kalifornia ny rivo-doza ka be dia be ny zavatra simba

19 JANOARY 2023
ETAZONIA

Rivo-doza Nahery be Nandravarava ny Faritra Andrefan’i Etazonia

Rivo-doza Nahery be Nandravarava ny Faritra Andrefan’i Etazonia

Nisy lanezy natevina be sy orana nivatravatra ary rivotra nahery tany Kalifornia, any Etazonia, nanomboka tamin’ny 4 Janoary 2023. Tsy nitsahatra mihitsy ilay rivo-doza dia niteraka tondra-drano sy riakam-potaka. Tapaka koa ny herinaratra. An’arivony no tsy maintsy niala tao amin’ny tranony ary 19, fara fahakeliny, no maty. Nahery be ilay rivo-doza tany amin’ny faritra sasany, ka efa maherin’ny antsasaky ny rotsakorana isan-taona no nilatsaka tao anatin’ny andro vitsivitsy fotsiny.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy maty ny rahalahy sy anabavy

  • Mpitory 199 no nafindra toerana

  • Trano 4 no simba be

  • Trano 141 no simba kely

  • Efitrano fanjakana 23 no simba kely

  • Biraon’ny fandikan-teny mitokana 1 no simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Nitsidika ny fianakaviana tra-boina ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy teo an-toerana sady nanome izay nilain’izy ireo

  • Trano 44 no nohamafisina

  • Trano 15 no namboarina

Matoky isika fa ampaherezin’i Jehovah ny mpiara-manompo amintsika ao anatin’izao zava-tsarotra izao.​—Salamo 50:15.