Hijery ny anatiny

24 SEPTAMBRA 2020
ETAZONIA

Rivo-doza Sally: Tondraky ny Rano ny any Atsimo Atsinanan’i Etazonia

Rivo-doza Sally: Tondraky ny Rano ny any Atsimo Atsinanan’i Etazonia

Toerana

Alabama, Floride, ary Mississippi

Zava-nitranga

  • Niditra an-tanety tany amin’ny faritr’i Alabama ny Rivo-doza Sally, tamin’ny 16 Septambra 2020. Nisy oram-be nikija nandritra ny ora vitsivitsy, ka niteraka tondra-drano

  • Nahery be ny rivotra, ka betsaka ny trano simba ary tapaka ny herinaratra

Vokany teo amin’ny rahalahy sy anabavy

  • Mpitory 240 no tsy maintsy niala tamin’ny tranony

  • Mpitory iray no naratra kely

Zavatra simba

  • Trano 143 sy Efitrano Fanjakana 11 no nisy simba kely

  • Trano 12 sy Efitrano Fanjakana iray no simba be

Fanampiana Tra-boina

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky roa no miara-miasa amin’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy mba hampaherezana ny mpiara-manompo amin’ny alalan’ny Baiboly sy hanomezana an’izay ilain’izy ireo. Manaraka tsara ny toromarika ara-pahasalamana momba ny COVID-19 izy ireo amin’izany.

Nilaza ny anabavy iray fa niady saina be izy taorian’ilay rivo-doza. Tonga ara-potoana anefa ny fanampiana avy amin’ny fiangonana, ka hoy izy: “Misaotra betsaka ny rahalahy sy anabavy aho. Tsapako hoe tena tia sy mikarakara ry zareo.”—1 Jaona 3:18.